Taratra

INDRAY MIJERY

Miantso ny infirmier rehetra ny filohan’ny Conseil de l’ordre national des infirmiers de Madagascar (Conim) hisoratra anarana anatin’ny holafitra satria tsy maintsy atao izany. Matetika efa manana olana ireo infirmier vao mihazakazaka mangataka ny fanampian’ny holafitra. Ahitana orana tandrifin-drahona hatrany any amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana ary ny morontsiraka […]

vatsim-pianarana any Chine : Misokatra ny fangatahana

Misokatra indray ny fanomezana vatsim-pianarana «Grande Muraille» 2025-2026 iarahan’ny Unesco sy ny fanjakana sinoa. Afaka mandefa antontan-taratasy fangatahana hisitraka izany ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana any Chine. 75 ny isan’ny vatsim-pianarana homena. Ny 47 natokana ho an’ny mpianatra manomana ny mari-pahaizana Master na doctorat na koa olona vonona hanatanteraka […]

Sahi Mpanasoa : Manamafy ny fiatrehana ny voina ateraky ny haintany

Tafiditra amin’ny tetikasa Avotse, anatin’ny asa hitsinjovana sy hanenana ny voina mety hateraky ny haintany amin’ny faritra Atsimo ny fanadihadiana ny faharefoana. Mampitondra faisana ireo mponina amin’ny tapany Atsimon’i Ma­da­gasikara ny haintany. Ma­nao tantsoroka ifotony ny ekipan’ny Sahi Mpanasoa, entina hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fiatrehana ireo voina izay mety […]

TARATRY ny KANTO

« Tsiahy ho an’ny fahaterahan’ny Repobli­ka ». Mitohy hatrany ny fampirantiana ho fampahafantarana ny tantaran’i Madagasikara, indrindra nanomboka teo amin’ny naha tany Repoblikanina azy. Eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra no ahitana izany nanomboka ny 14 oktobra 2024, hatramin’izao. Hisy ny atrikasa sy fampianarana ary fifampizarana mahakasika ny sokajina hatsikana « Stand Up », anio tolakandro, eny […]

Radisson Hotel Tanjombato: Hisantatra ny sehatra ny “Jazz night”

Ny eny amin’ny Radisson Hotel Tanjombato indray no handray ny « Jazz night », amin’ity anio ity, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Mpi­angaly Jazz maro no handray anjara amin’izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny Madajazz­car sy ny Radisson Hotel no hahatontosana izany. Tsia­hivina fa efa nanomboka ny volana oktobra 2024 no nisian’ny hetsika. Mpanakanto […]