Taratra

Raholinarivo Paolo: “Mila politika matotra ny fitandroana filaminana”  

“Avy amin’ny tsy fananana politika fitandroana filaminana matotra ny tsy fandriampahalemana. Eo koa ny tsy fandraisana andraikitry ny tomponandraikitra mifanandrify amin’izany”, hoy ny filohan’ny sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo. Ny fitondram-panjakana no tompon’ny fitandroana filaminana: ny prefet sy ny lehiben’ny distrika raha any amin’ny lafintany, ary ny Praiminisitra raha […]

Andriamoraniaina Niaina Harijaona: “Aoka tsy hiandry savorovoro vao hifampidinika”     

“Tsy hiandry efa misy savorovoro isika vao hiady hevitra momba ny hanatsarana ny tontolo mialoha ny fifidianana sy ny lalàna enti-mitantana ny fifidianana hahazoana manana fifidianana matotra”, hoy ny mpandrindra teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Harijaona, teny Analakely. Eo koa ny fahazoana manana rafitra hikarakara fifidianana matotra ary hahazoana […]

Fisalasalan’ireo depiote: naato ny fandinihana ny momba ireo ben’ny Tanàna

Nahemotra amin’ny fotoana manaraka. Niverenana nodinihina teny amin’ny Antenimierampirenena indray, omaly, ilay tolo-dalàna momba ny fitsinjaram-pahefana. Efa nolanian’ireo loholona izany, saingy nasiam-panitsiana ary izao naverina eny Tsimbazaza izao indray. Nivoitra tamin’izany fa ahina hiteraka olana lehibe eny anivon’ny fiarahamonina rehefa mihantona amin’ny asany ny ben’ny Tanàna noho ny raharaha mahavoarohirohy […]

Sinoa nanao hosoka: polisy nirahany hamono mpiasam-panjakana

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka (MSP) tamin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny seraseran’ny polisim-pirenena momba ilay raharaha vonoan’olona ka nahafatesana mpirakidraharaha sy inspecteur des impôts, ny 15 novambra 2022 teny Ambohimahatsinjo Imerinkiasinina. Toy izao ny santionany amin’ireo fanambarana navoakan’ny MSP : Ny polisim-pirenena dia manamarina fa misy tokoa polisy […]

Indraimbava: Tadiavina ny very !

Trangam-piarahamonina sady mateti-pitranga no mampivarahontsana amin’izao fotoana izao ny vono olona etsy sy eroa. Samy manana ny antony avokoa ny rehetra fa ny iraisan’izy ireo dia baikoan’ny tombontsoa manokana, ka miafara amin’ny fanaovana sorona ny ain’ny hafa. Manginy fotsiny ny tendrom-po tsy mba namana miaro fikorontanan-tsaina. Ny lonilonim-piarahamonina tsotra, vokatry […]