Taratra

TARATRY ny KANTO

Les Talenta, eny amin’ny Le Quartier By Pass. Mitohy hatrany ny andiam-pampisehoana tontosain’i Mbola Talenta, Inah ary Fanilo Poppins. Tsy eo aloha i Mirana anio, fa izy telo mianadahy kosa no hamelona ireo hira tsy tontan’ny ela, nanamarika ny taom-polo 60,70,80 ary 90, araka ny fanaovan’izy ireo azy. Misy ireo […]

Unesco sy Men : mitohy sy mivelatra ny tetikasa Stem

Kolosaina sy fanabeazana. Tezaina sy beazina ho tia ny taranja siantifika ny vehivavy. Noho izany, hampitomboina ny isan’izy ireo. Ezahina ihany koa ny hananana fanabeazana mitovy ho an’ny rehetra. Miompana amin’ireo ny tetikasa Stem 2023-2024 (Stem : Science, technologie, ingénierie, mathématique), izay fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Unesco sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena […]

FANTINA sy FINTINA

Nivoaka ny didy manafoana ny fanendrena ny mpitarika ny Semimpiad, Ratefimiharison Richard sy i Famantanantsoa Razafimahazo tsy ho mpitarika ny sendikà eo anivon’ny Antenimierandoholona. Marihina fa miara-dia amin’ny SSM izy ireo momba ny hirosoana amin’ny dinika, mialoha ny fitokonan’ny mpiasam-panjakana. Nihaona tamin’ny Antenimieran’ny andriana merina (AAM) ny Vondrona eoropeanina (UE), […]

Ravalitera Jacques Michaël : “Tsy maintsy hisy ny fifidianana”

Ho an’izay mbola misalasala? “Tsy maintsy hisy ny fifidianana, ary ara-demokratika no hanatanterahana an’izany”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni sady mpiahy ny faritan’i Toamasina amin’ny fanatanterahana fifidianana, Ravalitera Jacques Michaël, tany Toa­masina, afakomaly, ny amin’ ny fanofanana ireo rantsamangaikan’ny Ceni amin’ny fitantanana ny birao fandatsaham-bato. Efa […]