Taratra

Misosa moramora

  Mandeha miadana ny fampielezan-kevitra manerana ny lafivalon’ny Nosy, indrindra ho an’ny kandidà telo. Eny an-kianja, manohy ny fandresen-dahatra ny mpifidy ny laharana faha-3 sy ny faha-11 ary ny faha-13. Samy amin’ny paikadiny izy ireo. Raha Manao be fiavy amin’ny seho an-tsehatra sy famoriam-bahoaka ry Randria­nasoloniaiko Siteny sy Rajoelina Andry, […]

Kandidà Andry Rajoelina : “Hampiakarintsika ny fari-piainan’ny vahoaka”

Nitohy teny Atsimondrano ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Nambarany tamin’izany ny fampanantenana ho amin’ny fe-potoam-piasana manaraka. “Tsy hisy intsony ny ho hadino. Hampiaka­rina ny fari-piainan’ny vahoaka ary hampitomboina ny fidiram-bola. Hojerena akaiky ny tsy an’asa sy ireo marefo ary ho tonga isan-tokantrano ny fanampiana”, hoy izy teny Itaosy. […]

TSELATRA

Taksiborosy iray mampitohy an’i Toliara amin’ Antananarivo tra-doza teo Andohanilakaka, omaly tolakandro tamin’ny 2 ora. Avy nisakafo atoandro, niala lavaka ny mpamily araka ny fanazavan’ny iray amin’ireo mpandeha. Nivadika ny fiara ka mpandeha iray naratra. Tsy nisy aina nafoy. Trano miisa sivy tafo nilatsaham-potaka tao Ambatomarina, fokontany Lavatrafo, kaominina Anjo­ma […]

Nanohitra ilay mpamily : jiolahy iray maty voatsatok’antsy tao Toamasina

Naratra voatsatok’antsy ny mpamily Bajaj notafihin’ny jiolahy tao Toamasina, ny alakamisy 19 oktobra 2023 lasa teo. Nanohitra izy ka voatsatok’antsy koa ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Vokany, namoy ny ainy ilay jiolahy. Avy nanatitra mpiasa tany amina orinasa iray ao Antanandava izy tamin’io fotoana io. Voala­zan’ny loharanom-baovao fa manodidina ny 20 000Ar […]

Novonoin-dreniny : nariana tao an- dava­piringa ilay zaza

Habibiana tanteraka! Novonoin-dreniny ary nariany tao anaty lavapiringa ny zanaka naterany amam-bolana tao Imerintsiatosika, ny faran’ny herinandro teo. Notaperin’ity renim-pianakaviana iray ity ny ain-janany vao telo volana monja ny alahady 22 oktobra teo, fokontany Miakadaza, kaominina Imerintsiatosika. Nariany tao amin’ny lavapiringa io zanany io. Nolazainy fa nisy nibata tao amin’ny […]