Mpandresy ! Mpandresy ! Ambeti-tenin’ny mpanao politika ankehitriny. Mba azon’izy ireo an-tsaina ve anefa ny dikan’izany ? Sao sodokan’ny olona marobe fotsiny ny ankolafin-kery rehetra. Mahavariana ny mahita ny vondrona izatsy na izaroa midehaka fa izahay no nahazaka olona be indrindra. Raha ny hamaroan’ny olona angamba no maridrefy hanaovana tombana, mety lany fihodinana […]
Taratra
Rabetsaroana Sylvain : “Hiteraka fitoniana ny firosoana amin’ny fifidianana”
Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny mpanao politika, Rabetsaroana Sylvain. Anisan’ny nambarany tamin’izany fa tsy azo ihodivirana intsony ny hirosoana amin’ny fifidianana, ny 16 novambra izao. Nizara ny heviny amin’ny raharaham-pirenena ny mpanao politika, Rabetsaroana Sylvain. Notsiahiviny fa efa nandoa ny anto-bola teny amin’ny HCC ka mpifaninana ofisialy ireo […]
Vaky trano : raim-pianakaviana maty novonoin’ny jiolahy
Nofiraina famaky sady rotiky ny tifitra nataon’ny jiolahy 12 lahy ny raim-pianakaviana iray ka namoy ny ainy tao Betanatanana Maintirano, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 22 oktobra teo. Nanafika tokantrano iray tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy. Raim-pianakaviana sy ny vadiny, samy nohazonin’ireo tsy mataho-tody. Nalain’ireo mpandroba ny zavamaneno miisa […]
TSELATRA
Ankizilahy 15 taona sy mpivady niara-maty nilatsaham-potaka tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, afakomaly tolakandro. Niandry omby io ankizilahy io no nilatsaka tampoka ny varatra tao Avarabohitra. Namoy ny ainy niaraka taminy ny omby iray. Lasibatr’io loza io koa izy mivady izay nijanona tao an-tranony tao Ankazonaorina. Raim-pianakaviana iray manana olana amin’ ny […]
Adin’ny mpivady: lehilahy notondrahana rano mangotraka
Zava-doza! May ny filahian-drangahy sy ny tratrany ary ny tarehiny. Notondraham-badiny rano mangotraka izy tamin’ny alahady, teny Andrianalefy, fokontany Androhibe, boriborintany fahadimy. Nivadika ho herisetra ny adin’ny mpivady, monina eny Andrianalefy, fokontany Androhibe, ao anatin’ny boriborintany fahadimy, tamin’ny alahady tolakandro teo. Notondrahan’ilay renim-pianakaviana rano mangotraka ny vadiny, nandritra ny fifamaliana. […]




