Taratra

Olona manana fahasembanana : zava-dehibe ny fandraisana azy ireo hiasa

Ankoatra ny fampiroboroboana ny fiahiana sosialy, imasoan’ny Cnaps sy ny mpampiasa koa ny fanomezana andraikitra ny olona manana fahasembanana satria zo fototra izany. Nanao fihaonana niaraka amin’ny fikambanan’ny tale misahana ny mpiasa ny tomponandraikitry ny Cnaps, ny herinandro lasa teo, tany Antsirabe. Niompana ta­min’ny lohahevitra maromaro ny dinika : fizarana ny […]

Mondial Rugby : hiady ny amboara i Afrika Atsimo sy i Nouvelle Zélande

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tany France, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Rugby. Ny ekipam-pirenena Springboks, Afrika Atsimo sy ny All Blacks, Nouvelle Zé­lan­de no hifanandrina eo amin’ny famaranana. Raha hiverenana ny manasa-dalana nataon’ireo ekipa roa ireo, ny Springboks nandresy an ‘i XV de la Rose, Angleterre, […]

Kitra – “Orange Pro League (OPL)”: hifampidinihin’ny FMF sy ny CFEM ny fihaonana

Nambaran-dRakotoari­manana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de Foot-ball Elite de Madagascar (CFEM), fa mbola hifampidinihina amin’ny federasiona malagasy (FMF), ny fomba hitantanana ny fifaninanana eo amin’ny “Orange Pro League (OPL)”, ho an’ny taom-pilalaovana 2024. No­tsiahiviny fa ny federasiona no rafitra voalohany miahy sy mitantana ny fifaninanam-pirenena (OPL). “Vaovao ny filohan’ny federasiona […]

Kitra –FMF: Vita ny fitsinjaram-pahefana ireo mpikambana

Taorian’ny fanatontosana ny fanomezam-pahefana ny filoha vaovaon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, ny alakamisy lasa teo, tetsy Mahamasina. Fantatra avokoa ny asa sy andraikitra raisin’ireo olona mikambana ao amin’ny komity mpanatanteraky ny FMF izay miaraka aminy. Tsy niova tamin’ny toerany ny andraikitra raisin-dRaharimino Mario Rosario, filohan’ny kaomisionina baolina […]

Volley-ball : Raoelison Hasimbola Famonjena no DTN vaovao

Nandray ny andraikiny avy hatrany izy. Ny tenany no nahazo ny naoty ambony indrindra ta­min’ireo telo niatrika ny fanadihadiana nataon’ny vaomiera misahana ny fanendrena DTN, eo anivon’ny FMVB. Vaomiera izay notarihin’ ny filohan’ny federasiona, Raha­ri­malala Léa, Randrianilaina Bakoly Harisoa Clarisse, filoham-boninahitra, Rason Olivier, mpanolotsaina teknika, Raharinjoelina Fetison Hajatiana, sekretera jeneraly, […]