Taratra

INDRAY MIJERY

Nisy fampiofanana momba ny fampivoarana ny maha olona sy ny fandraharahana, ho an’ny vehivavy, tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. 504 ireo mpiofana avy amin’ny fikambanana Zara Hasina. Fanofanana faobe iandraiketan’ny minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Unesco izany ary hisitraka avokoa ny faritra maro. Mbola nitohy ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka […]

BORIBORITANY VI : fitsaboana maimaimpoana ho an’ny vahoaka

Mitohy ny hetsika Faha­salamana manakaiky vahoaka, ataon’ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny sampandraharahan’ ny fahasalamana sy ny sosialy. Anjaran’ny boriborintany fahaenina indray no hisitraka izany manomboka anio hatramin’ny alakamisy, eny amin’ny fokontany Ampandriambahi­bavy (pompe maty). Marolafy ny karazana tolotra eo amin’ny fahasalamana ho an’ny mponina. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana tsotra dia […]

Masoivoho japonais: nanome fiara mpitondra marary

Nanolotra fiara fitondrana marary ho an’ny kaominina ambonivohitra Toamasina ny fanjakana japonais, ny faran’ny herinandro teo. Manana CSB II enina ny kaominina fa tsy misy ny fiara hitaterana marary amin’ireo toeram-pitsaboana ireo ka nanome vahaolana ny Japonais. Efa manana ny fitaovana ahafahana mamonjy aina ao anatin’ny fiara mialoha ny hahatongavan’ ny […]

Fikambanana Psy-kôzy : hametraka ivontoerana fanarenana ara-tsaina sy ara-tsosialy

Marihina mandritra ity volana ity ny fahasalaman’ny saina. Nitondra ny valin’ny fanadihadiana natao teny anivon’ny hopitaly telo mandray an-tanana ireo olona manana olana ara-tsaina ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar, omaly, teny Ambohidahy. 17,6% no manaraka fitsaboana noho ny fiankinandoha amin’ ny zava-mahadomelina samihafa, 12% kosa noho ny fisotroana toaka, 11% avy […]