Hentitra ary nahitsy ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, omaly teny Tsimbazaza. Niantso ny amin’ny tokony hifampiresahana ny tenany. “Ho an’ny andaniny sy ny ankilany, atsaharo ny fifandranitana izay tsy hitondra fitoniana. Aoka hiverina amin’ny filaminana”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, nanomboka ny fivoriana ara-potoana faharoa, teny Tsimbazaza, omaly. […]
Taratra
Distrikan’i Besalampy : dahalo efa-dahy maty voatifitra
Dahalo efa-dahy maty voatifitry ny zandary tao amin’ ny fokontany Bekoky, kaominina Bekodoka, distrikan’i Besalampy, afakomaly. Nifanena tamin’ny dahalo efatra mirahalahy nitondra omby halatra ny zandary roa lahy, tamin’ny 4 ora maraina. Nofotompotorina ireto olon-dratsy ka niaiky fa omby halatra ireto tratra teny aminy ireto. Nentina hihazo ny biraon’ny zandary, araka izany, izy efa-dahy. […]
TSELATRA
Tompon’omby iray voan’ny bala nataon’ny dahalo tao Ampasimaika, kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, ny alahady 15 oktobra teo. Niezaka haka ny omby nalain’ireo olon-dratsy ny lasibatra. Nitifitra tamin’ny fitaovam-piadiana ny mpandroba ka voa teo amin’ny tratrany ilay tompon’omby. Nandroba omby 9 hafa tao amin’ny tanàna iray anatin’io kaominina io ireo dahalo. […]
Namono zaza 6 taona : raikely sy ny namany naiditra am-ponja
Nidoboka am-ponja ilay raikely sy ny namany iray hafa nahafaty ny zana-badiny vao 6 taona tao Faravohitra, distrikan’i Faratsiho, ny faran’ny herinandro teo. Nisaraka tamin’ny renin’ilay zaza enin-taona io lehilahy io. Tsy nahazaka izany anefa izy ka nalainy tany an-tsekoly ny zana-badiny, ny 2 oktobra lasa teo. Nentiny tany anaty […]
Hetsi-bahoaka: nifamono ny samy sivily
Nifandatsa-dra ny samy sivily tetsy Andavamamba, omaly. Andaniny ny mpanohana ny kandidà 11, ankilany ny mpomba ny kandida n°3. Nisy ny vaky loha sy potika fananana. Nifandona indray, ny mpanao diabe, tarihin’ny kandidà 11 sy ny mpanao fampielazan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, teny Andavamamba, omaly atoandro. Fifampihantsiana sy fifandranitana no tena nahatonga […]




