Taratra

Angovo azo havaozina: herinaratra 50 Mw vaovao isaky ny distrika 46

Manohana an’i Madagasikara amin’ny famatsiana herinaratra ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hisitrahan’ny 70% amin’ny tokantrano malagasy izany hatramin’ny taona 2030. Mitentina 400 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena hananganana foibe mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro eto Mada­gasikara. Miisa 46 ny foibe hatsangana any amin’ny distrika 46, samy hamokatra 50 Mw […]

TARATRY ny KANTO

Dama sy Erick Manana, any La Réunion. Taorian’ny seho roa ho fiverenana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, fantatra fa hanomboka ny fitetezam-pirenena indray i Dama sy Erick Manana. Atsy amin’ny Nosy La Réunion izy mirahalahy ny sabotsy 21 oktobra izao, hitondra indray ny “Feo roa, gitara roa”. Tetikasa efa an-taonany maro […]

Nankelezina ny fanabeazana !

Taona 1960, nampidirina tao anatin’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao ny ankamaroan’ny firenena voazanaka. Amin’ny ankapobeny, ny mpanjanaka ihany no tao ambadik’ireo mpitondra napetrany. Nanao randra-mitarika an-taona maro ity vanim-potoana ity, satria, hain’ny mpanjanaka ny tsiambaratelon’ilay firenena zanahiny. Fantany tsara fa firenena manan-karem-be ka tsy tokony havotsotra. Firenena manana mpitondra adalam-bola […]

Fampirantiana Haikanto : hanandratra ny kolontsaina malagasy ny rantin-dRaharimanana Jean Luc

Fantsona iray ahafahana mitondra fanabeazana sy fanentanana ary fampahatongavan-tsaina ny haikanto. Izany indrindra no nanosika ity mpahay kanto ity hanao izao fampirantiana izao, ho fanandratana ny kolontsaina sy ny maha izy ny Malagasy. Ho tanterahina eny amin’ ny Musée de la Photo­graphie Anjohy, ny 21 oktobra 2023 hatramin’ny 31 desambra […]