Nanomboka ny fampielezan-kevitra tetsy 67 ha ny eo anivon’ny “Association des musulmans pour le progres – AMP”, omaly. Nambaran’izy ireo fa tafiditra amin’ny fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina izao hetsika nataon’izy ireo nitety tanàna izao. “Miantso ny vahoaka tsy an-kanavaka izahay hifidy azy amin’ny 16 novambra izao”, hoy […]
Taratra
SOMBIM-BAOVAO
Hisokatra ho azo ampiasaina indray ny kianja mitafon’ny ANS (Akademia Nasionalin’ny Spaoro) Ampefiloha, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny tomponandraikitra teny an-toerana. Ny 20 oktobra izao no hanomboka ho azo ampiasaina izany, rehefa nikatona volana vitsy, noho ny fanamboarana. Hiaraka hisokatra amin’ny kianja mitafo, ny dobo filomanosana. Hotontosaina ny 10 novambra […]
Tsipy kanetibe : lasan-dry Nanou ny 1500000 Ar
Notanterahina teny Ivato ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Tsipy kanetibe. Norombahan-dry Nanou sy Luc ary Solohery ny amboaran’ny “senior Homme” sy ny lelavola 1500000 Ar. Resin’izy ireo tamin’ny isa 13 no ho 9 ry Kelly, Bondy, Tsialonina, nandritra ny famaranana. Azon-dry Tahiry […]
JJB-Grappling Tournament: mpikatroka 175 no hifaninana
Hotontosaina ny 21 sy 22 oktobra ho avy izao ny fifaninanana Jiu-Jitsu Brésilien, karakarain’ny klioban’ny Attila, nampitondrainy ny anarana “Grappling Tournament”. Eny amin’ny Dojo an’ny Esca Antanimena no hanaovana ity fifaninanana ity. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny klioba mpikarakaraka, manodidina ny 175 eo ny isan’ny mpikatroka handray anjara, izay avy […]
World Rugby: «Commissaire au match international” i Donatienne
Mitondra avo ny lazan’ny rugby malagasy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, Rasoampamonjy Donatienne (Dô). Lasa «commissaire au match international» ny tenany. Nanome ny taratasy fanamarinana iraisam-pirenena ho azy ny World rugby. Mitombo isa hatrany ireo Malagasy teknisianina eo anivon’ny World Rugby. Anisan’ireo manatevin-daharana, Rasoampamonjy Donatienne (Dô), lasa “commissaire au match international”. Niofana […]




