Taratra

FANTINA sy FINTINA

Nanomboka ny propagandiny tao Ambosi­tra, tanindrazany, ny kandidà Raderanirina Sendri­son, ny faran’ny herinandro teo. Naka tsodrano amin’ireo any an-tanàna ny tenany sady nanangana ny Tsangambato , efa niondrika tao anatin’ny 35 taona any an-toerana. Nanolotra omby mazavaloha ho nofon-kena mitam-pihavanana izy. Manamafy ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) fa manameloka […]

Filohan’ny Ceni : “Vonona hatrany amin’ny fifidianana izahay”

Vonona hatrany ny Ceni, na hatao amin’ny 9 novambra na amin’ny 16 novambra ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Da­ma Arsène, teny Alarobia, omaly. Nohazavainy fa araka ny fanapahan’ny HCC, mihemotra amin’ny 16 novambra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana. “Tsy manana fahefana hanemotra fifidianana ny Ceni, fa ny manolotra […]

Kilalaom-bazaha Hatraiza marina ny fahaleovantenan’i Madagasikara? Hatraiza ny tanjaky Ramalagasy hanohitra ny fidiran’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena amin’ity raharaha politika anatin’ny firenena ity? Rehefa tsy nahomby tamin’ny andiany voalohany, nivadika ho ny FFKM, izao manao rodobe indray izy mianakavy amin’ny fanambarana. Milaza izy ireo fa tokony hirosoana ny fifampiresahana ka ny vahiny […]

Fianakaviambe iraisam-pirenena : “Zava-dehibe ny Lalàmpanorenana”

Namoaka fanambarana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, omaly. Nohamafisin’ izy ireo ny maha zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny fifanatonan’ny ankolafy rehetra. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny ahiahiny amin’ny fivoaran’ny tontolo politika ifandroritana eto amintsika. Nanterin’ireto avy amin’ny iraisam-pirenena ireto ny maha zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny fahalalahana maneho hevitra ary […]