Hotanterahina ny 24 hatramin’ny 28 oktobra 2023, ao amin’ny efitrano Dox, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny «herinandron’ny Havàtsa UPEM- 2023», hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-71 taonan’ity fikambanana ivondronan’ny Malagasy mpanoratra sy poeta ity. Antsan-tononkalo, fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao, varotra sy fampirantiana. Ireo no ho hita eny an-toerana mandritra […]
Taratra
« Jôkôsô- Festival du rire »: manana ny hoaviny ny hatsikana malagasy
Malagasy mpanao hatsikana miray, no anisan’ny tanjon’ny “Jôkôsô-festival du rire”. Tsy nisalasala ireo voasokajy ho zokiny sy matihanina nizara ny fahaiza-manaony tamin’ireo vao misandratra, ho an’ny ho avy mamiratry ny hatsikana malagasy. Nifarana ny faran’ny herinandro teo, ny hetsika “Jôkôsô- festival”, andiany faha 3. Malagasy sy vahiny mpanao hatsikana miisa […]
VAOVAO TAMBATRA
Manahy sahady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny mpiara-belona manoloana ity raharaha politika misy eto amintsika ity. Voatery manakaton-tsena ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny an-dalana lalovan’ireo mpilahatra, hisorohana ny fandrobana sy ny tsy fandriampahalemana. Mihena ny vola azo, tsy mihodina ny tsena. Mampitaraina ny fiarahamonina ny fahatapahan-jiro ataon’ny orinasa Jirama eto an-drenivohitra sy […]
Eiti Madagasikara : fitrandrahana isitrahan’ny eny ifotony
Natao ny 12 oktobra teo, teny amin’ny foibe Mining business center (MBC) Ivato, ny loabary an-dasy ho an’ny daholobe. Mifantoka tamin’ny lanjan’ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara ny lohahevitra. Nandray anjara ny fiaraha-monina sivily, ny fanjakana, ny orinasa mpitrandraka, ny teknisianina amin’ny lafiny fampandrosoana. […]
Ambanja : Vita ny 65% ny tobim-pamokarana herinaratra
Mitohy hatrany ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ho tombontsoan’ny besinimaro. Ankehitriny, vita ny 65% ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (central solaire), CS ao Ambanja. Hanana tanjaka 825KWc ny fotodrafitrasa, ampian’ ny milina mpihary herinaratra miisa efatra. Ny roa hanome tanjaka 660KW, ny roa hafa […]




