Voasambotry ny zandary ny vehivavy sy lehilahy iray, niray tsikombakomba tao Antsirabe tampon-tanàna, ny 13 oktobra teo. Nirahan’ny mpampiasa azy hanatitra entana tany Anjoma Ramartina io vehivavy io, ny 11 oktobra teo. Tsy niverina intsony anefa io mpiasa vavy io ary tsy tratra antso. Roa andro taorian’io, tratra antso tampoka ary nilaza fa nalain’ny […]
Taratra
Talen-tsekoly novonoina : notsatotsatohana antsy tamin’ny lohany
Efa tsy nisy aina intsony no hitan’ny fokonolona manamorona ny lalam-pirenena fahefatra ny “proviseur” an’ny lisea iray anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny zoma 13 oktobra teo. Nahitana tsatok’antsy maromaro ny vatany. Tsindron’antsy miisa enina sy daroka tamin’ny loha no namonoan’ny olon-tsy fantatra ny “proviseur” iray tao Ankarefo, fokontany Ambohimiadana, kaominina Ampanotokana, distrika Ambohidratrimo, ny […]
TSELATRA
Lasan’ny jiolahy mpangalatra voamaso indray ny mason’ny vehivavy roa tany amin’ny kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy, ny sabotsy maraina teo. Namoy ny ainy ny vehivavy iray noho ny ratra mafy nahazo azy. Ny iray kosa mbola manaraka fitsaboana. Fantatra fa mirongatra izaitsizy ny halatra voamaso amin’iny distrika iny. Voasambotry ny zandary avy […]
ITF World Tennis Tour Junior : nahazo medaly volamena roa ny Malagasy
Nifarana omaly zoma, teny amin’ny kianja COT Ilafy, ny dingana faharoan’ny fifaninanana “ITF World Tennis Tour”, sokajy “junior” lahy sy vavy. Nahazo fandresena roa tamin’ireo famaranana efatra niadiana ny Malagasy. Anisan’izany ny teo amin’ny sokajy lehilahy olon-tokana. Adin’ny samy Malagasy ny famaranana. Voahosotra ho tompondaka Andriantefihasina Mirija, nandresy an-dRakotomalala Mahefa […]
SOMBIM-BAOVAO
Mitohy hatrany ny fifaninanana ho an’ireo mpitia tsipy kanetibe. Hotanterahina anio sy rahampitso , ny “Grand open Telma”. Hampiantrano izany ny kianja Para Ivato. Hotolorana lelavola sy fanomezana ireo efatra voalohany. Natokana ho an’olona telo miaraka ny lalao ary misokatra ho an’ireo mpilalao rehetra na manana kara-pilalaovana na tsia. Hotontosaina […]




