Hiakatra kianja anio sabotsy 14 oktobra, ny ekipa malagasy “Antananarivo”, hiatrika ny fifaninanana basikety “FIBA 3X3 World Tour”, tanterahina any Shanghai. Ao amin’ny sokajy “Masters”, vondrona C no misy ny ekipantsika, hifandona voalohany amin’izy 4 mirahalahy, ny ekipan’ny Beijing Chine. Mbola ekipa avy ao Chine, Futian ihany, aorian’izay no hifanandrina […]
Taratra
Fifidianan’ny FMF : ho fantatra anio izay ho filoha
Tonga ity ilay fotoana efa nandrasan’ny maro, hahafantarana ny anaran’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) vaovao. Hotanterahina anio sabotsy 14 oktobra, eny amin’ny Novotel Ivandry, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsy maintsy iray amin’ireo kandidà miisa dimy mpifaninana amin’ izany no hitantana ny […]
ACMIL-Andiany faha- 44 : 30 mianadahy hanatevin-daharana ny Tafika
30 mianadahy tamin’ireo mpianatra andiany mivantana faha-44 nivoaka avy eo anivon’ny Akademia Miaramila Antsirabe (Acmil), hanatevin-daharana ny Tafika Malagasy, araka ny fitsinjarana azy ireo, tetsy Ampahibe, omaly. 58 mianadahy izy ireo no nahavita fiofanana nandritra ny roa taona sy efa-bolana teo anivon’ny sekoly. Ho an’ireo 28 mianadahy kosa, hanatevin-daharana ny […]
Fiovaovan’ny toetr’andro: mirongatra ny aretin’ny taovam-pisefoana
Miteraka aretina maro samihafa ho an’ny olona, indrindra ny zaza sy ny efa nahazo taona ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Toy ny aretin’ny taovam-pisefoana. Maro ny aretina mahazo ny olona amin’izao fotoana izao vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. “150 isan’andro ireo tonga manatona mpitsabo, raha ho an’ny eo anivon’ny Centre […]
VAOVAO TAMBATRA
Miahiahy amin’ny asa fivelomany indray ny mpivarotra etsy Analakely sy ny manodidina, manoloana ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana. Voahelingelina ny fidiram-bolan’izy ireo. Tsy ampy hanodidina ny tsena ny vola miditra ho azy ireo noho izy voaelingelina amin’ny asa fivelomany. Mikatona manomboka rahampitso 15 okotobra ka hatramin’ny 15 desambra izao ny […]




