Tohivakana ny fanehoana firaisankina. Namoaka fanambarana avokoa ny avy eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena. Anton’izany ny tokony ho niakaran-dRafitison Ketakandriana teny amin’ny fampanoavana, omaly. Anisan’ny nanao izany ny masoivohon’i Etazonia naneho ny fanohanany ny vahoaka sy ny governemanta ary ny fiarahamonim-pirenena, indrindra eo amin’ny ady amin’ny kolikoly. “Toherinay marindrano kosa […]
Taratra
Ntsay Christian: “Aoka tsy hizarazara ianareo mpitandro filaminana”
Nosokafana, omaly tao Antsirabe, Vakinankaratra, ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra, andiany fahefatra. Nanokatra izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nisy hafatra sy antso nataony tamin’ny famoriana ireo eo anivon’ny OMC. «Ilaina ny fampandehanana ny raharaham-panjakana araka ny tokony ho izy sy ny fanatsarana ny lafiny fandriam-pahalemana… Aoka ny mpitandro ny […]
CUA: nihaona tamin’ireo solontenan’ny mpivarotra
Nihaona tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpivarotra avy ao amin’ny pavillon Analakely, omaly, teny amin’ny tranompokonolona Analakely. Notarihan’ny solontenan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny filohan’ny fikambanan’ny mpivarotra pavillon Analakely izany. Famahana ny disadisa misy eo amin’ny samy mpivarotra eny an-toerana no anton’ny fihaonana. “Misy ny tsy mankasitraka ny birao mitantana […]
Indraim-bava: Tsindry !
Vaovao nafana, niteraka resabe sy fanehoan-kevitra maro ny mikasika ilay fitoriana an-dRatoa Ketakandriana Rafitoson sy Atoa Dominique Rakotomalala, samy tomponandraikitra ao amin’ny fikambanana Transparency International Initiative Madagascar. Izay fototry ny disadisa nisy teo amin’izy ireo sy ny mpitory tsy hidirana lalina intsony, satria efa be ny voalaza. Tsy azo hodiana […]
Mpivady niady: Ramatoa maty nototoina fanoto
Tovovavy 21 taona maty nototoin’ny vadiny fanoto noho ny hasarotam-piaro, afakomaly. Potika ny lohany noho ny dona nahazo azy. Mahonena loatra! Renim-pianakaviana manodidina ny 21 taona no maty voavely fanoto, afakomaly, tao amin’ ny fokontany Ambalafary, kaominina Andohan’Ilakaka, distrikan’Ihosy. Tamin’ io fotoana io, nifamaly tamin’ny vadiny ity vehivavy ity ary […]