Atleta roa (lahy sy vavy) nisalotra ny tompondakan’i Madagasikara 2022, eo amin’ny taranja Bodybuilding, no fantatra fa hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany hatao any Thaïlande, ny 12 desambra ho avy izao. Noho ny fanasana voarain’i Madagasikara avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena no antony handehanan’izy mianadahy amin’ity fifaninanana ity. I Fitiavana […]
Taratra
Kitra any ivelany: tsy manana klioba intsony i Cristiano Ronaldo
Tsy mpilalaon’ny Manchester United, klioba anglisy (MUFC) intsony i Cristiano Ronaldo, mpilalao baolina kitra kalaza portogaly. Vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera, tamin’ny talata teo. Noho ilay valandresaka nataony tao anaty fandaharana ka nilazany fa namitaka azy ny Manchester United, nanambara koa izy fa tsy manaja azy i Erik Ten Hag, […]
Handball – IHF Trophy U20 lehilahy: hiady ny tapakila hiatrehana ny Mondial ny Akio
Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball, sokajy U20 zazalahy i Madagasikara, manomboka anio. Anisan’ireo firenena hiatrika izany ny Akio de Madagascar. Hanomboka anio ka hatramin’ny alahady 27 novambra ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball zazalahy […]
CUA: miara-miasa amin’ny mponina eny ifotony
Mbola maro ny lesoka tsy hahafahan’ny fokontany mandroso eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny fahatsapana izany no nanosika ny fikambanana maro hanome tanana ny ben’ny Tanàna ka nanao soniam-piaraha-miasa tamin’ny kaominina. Mba hahafahana mampandroso misimisy kokoa ny tanànan’Antananarivo, raha ny fanazavana nataon-dRandrianandrasana Frederic, filohan’ny fikambanana Arofanina. Tanteraka omaly, araka izany, […]
Indrambava: Diso kajy
Mahoraka ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny lalao baolina kitra. Iza no tsy miresaka izany na any anaty birao, ny mpitaingin-tamboho, ny mpandeha taxi-be, eny fa ny olona tsy manan-kialofana toy ny mpangataka aza. Tsy voatery nahita tamin’ny vata fahitalavitra vao afaka « mitatasika ». Resaka miampitampita dia efa mampiady ambiansy […]