Fiovaovan’ny toetr’andro: mirongatra ny aretin’ny taovam-pisefoana

Miteraka aretina maro samihafa ho an’ny olona, indrindra ny zaza sy ny efa nahazo taona ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Toy ny aretin’ny taovam-pisefoana.

Maro ny aretina mahazo ny olona amin’izao fo­toana izao vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. “150 isan’andro ireo tonga manatona mpitsabo, raha ho an’ny eo anivon’ny Centre Medico-Social (CMS) etsy 67 ha”, hoy ny Dr Rakotonindrina Norbert, mpitsabo eny an-toerana. Nilaza izy fa avy amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro avokoa ny 80 % amin’izy ireo satria mitovy avokoa ny aretina. Ny aretin’ny taovam-pisefoana, manomboka eo amin’ny gripa, midina amin’ny tenda ary manodidina ny faritry ny havokavoka ny ankamaroan’izany. Mora tratry ny aretina ireo zaza latsaky ny 2 taona sy ny olona efa nahazo taona.
Miseho amin’ny endrika maro samihafa izany. Toy ny aretin’ andoha, vatana manakotsako, vizana, malain-komana, kamo mihetsika, mikohaka, aretin-tenda… “Sarotra ho an’ny mpitsabo ny manavaka ny aretina eo amin’ny coronavirus sy ny gripa satria efa miverina indray ny mangidy vava, tsy mahare tsiron-kanina, tsy maheno fofona”, hoy hatrany izy.
Miha mahery vaika kokoa ny fisehon’ny aretina ankehitriny. Misy ireo ankizy lasa mifanintona, na mahamay be, sempotra tampoka. Ny fanatonana mpitsabo ihany no vahaolana tsara indrindra, hisorohana ny fiparitahan’ny aretina sy hitsaboana ny marary. Hampitomboina ihany koa ny hery fiarovana. Toy ny fisotroana rano matetika, fihinanana voankazo ary sakafo ara-pahasalamana. Tsy ma­nao vizana loatra ary atao ampy tsara ny torimaso.

Mino

Partager sur: