Amidy eny amin’ny mpivarotra ny vary makalioka amin’ny vidiny 800Ar sy ny vary nafarana 750 Ar ny kapoaka. Nanaraka ny fiaingan’ny vary teny amin’ny trano fanatobian’entan’ny orinasa SPM eny Ambohimanambola, omaly, ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Ho hita amina fokontany maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina ireo vary ireo. […]
Taratra
Minae sy FAO : 85 tapitrisa dolara hampandrosoana ny famokarana
Natao sonia ny 11 oktobra teo ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), sy ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny sakafo (FAO). Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa lasitra isaky ny firenena (CCP), ho an’ny taona 2022-2025, hanatrarana ny Tanjona ho an’ny fampandrosoana maharitra (ODD), napetraky ny ONU ity fifanarahana […]
Fly over : mitentina 31,5 tapitrisa dolara ny tetikasa
Tontosa, afakomaly, nandritra ny fihaonamben’ny vondron’ ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), tany Marrakech, Maroc ny fifanaovan-tsonia famatsiam-bola eo amin’i Madagasikara sy ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana eto Afrika (Badea) ho an’ny fanatanterahana ny tetikasa “Fly Over” eny amin’ny Makis Andohatapenaka. Mitentina 31,5 tapitrisa dolara ny tetikasa […]
Tetikasa Folur : hifantoka amin’ny tontolo iainana sy ny famokarana
Hamerina amin’ny laoniny ireo ala simba sy hampiroborobo ny famokarana ary hanatsara ny fari-piainan’ny mponina hisorohana ny fanimbana ny tontolo iainana. Ireo ny teboka apetraky ny tetikasa “Folur”. Tanjona apetrak’i Madagasikara ny hanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo anatin’ny fiarovana amin’ny fomba maharitra ny harena voajanahary. Hifantoka amin’izay indrindra ny tetikasa Folur […]
Antenimierandoholona: naongana tsy ho filoha Razafimahefa Herimanana
“Tsoahin’ny antoko TGV sy ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar) ny fitokisana napetraka tamin-dRazafimahefa Herimanana”, hoy ny fanambaran’ny birao politikan’ny antoko TGV, tetsy Ivandry; omaly. Notsiahivin’i Pierre Houlder, fa natolotry ny antoko amin’io andraikiny io izy ka tokony ho modely amin’ny fanajana ny antoko, fa indrindra eo amin’ny […]




