Nanatanteraka fitokonana ny mpianatra teny amin’ny oniversiten’Ankatso, omaly. Notorahan’izy ireo vato ny teny amin’ny manodidina. Tezitra mafy ireo mpianatra mandranto fahalalana eny amin’ny oniverste Ankatso, omaly. Nisy ny tora-bato sy fandoroana kodiarana. Tsy navelan’izy ireo hiakatra any amin’ny faritra misy fampianarana ireo olona rehetra teny tamin’izany. Raha ho fintinina ny […]
Taratra
Karate-Tompondaka eran-tany : mizotra tsara ny fanomanantenan’ny atleta
Manoman-tena efa ho iray volana izay, ny Malagasy mpikatroka, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, sokajy Seniors, taranja karate. Fifaninanana hotanterahina any Hongrie, ny 24 hatramin’ ny 29 oktobra ho avy izao. Mizotra tsara araka ny tokony ho izy ny kotrana sy ny fampivondronana ireo Malagasy atleta, eny amin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ao amin’ny kianjan’Analakely Stadium, ny fifaninanana “Baolina kitra ho an’ny Jamba”. Raha ny filazan’ny mpikarakara, Cecifoot no fiantso azy ary tafiditra anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena amin’ny tehina fotsy izy ity. Ireo mpilalao dimy eny ambony kianja ihany no jamba fa mahiratra ny mpiandry harato. Hotanterahina ny alahady ho […]
«Grand open Telma» : hahazo fanomezana ny mpandresy
Mitohy hatrany ny fifaninanana ho an’ireo mpitia tsipy kanetibe. Hotanterahina ny sabotsy 14 sy alahady 15 oktobra ho avy izao, ny “Grand open Telma”. Hampiantrano izany ny kianja Para Ivato. Hotolorana lelavola sy fanomezana ireo efatra voalohany, amin’ity fihaonana ity. Natokana ho an’olon-telo miaraka ny lalao ary misokatra ho an’ireo […]
“Madagascar Tennis Project” : hampiofana sy hizara traikefa i Miary Zo
Taorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana DEJEPS Tennis, ho avy eto Madagasikara, hampiofana sy hanome ny fahalalany ho an’ireo kilonga sy mpanazatra, Rakotondramboa Miary Zo, Malagasy mpilalao tenisy, monina any Frantsa. Handalo eto an-tanindrazana, Rakotondramboa Miary Zo, ilay Malagasy mpilalao tenisy, tompondakan’i Madagasikara intelo misesy, sokajy “junior”, saingy efa miasa sy monina […]




