Taratra

FANTINA sy FINTINA

Nivoaka ny efitrano fivoriana ny loholona MMM, Rakotondrainibe Ndriana, omaly, tetsy Anosikely. Tsy nanatrika ny fandatsaham-bato fanesorana ny filohan’ny Antenimierandoholona ny tenany. “Tsy manara-dalàna izany ary tsy azo ekena. Mahakasika ny antenimiera roa tonta no azo angatahana fivoriana tsy ara-potoana fa tsy ny anay irery fotsiny ihany”, hoy izy. Manjaka […]

Tompon-tanàna Hafa raha samy hafa mihitsy ny vahoaka malagasy ! Tsy misy olona mahari-pery sy mahazaka dona mihoatra azy angamba eto ambonin’ny tany. Miezaka ny mitarika sy mandrehitra ny afo ny kandidà 11, fa mbola mizara roa ny hevitra. Tsy vitan’izay fa manana ny antony mbola hidinana an-dalambe izy rehetra. Samy […]

Nidaroka zana-bady : renikely nahavanon-doza, naiditra am-ponja

Voatana vonjimaika any am-ponja ny renikely iray nidaroka ka saika nahafaty zaza roa taona latsaka, tao Amba­lamanasy C2, Toamasina, afakomaly. Efa fanaon’io ramatoa io ny mamono tsy am-piheverana an’io zazakely io, raha ny nambaran’ny nanatri-maso. Matetika nianjadian’ny fampijaliana izy rehefa tsy eo ny rainy. Nofelahan’io renikely io indray ilay zaza […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja ny raikely 50 taona nanolana ny zana-badiny 8 taona, tao amin’ny fokontany Soalazaina, kaominina Soalazaina,  distrikan’Amba­ton­drazaka, afakomaly. Efa nampiharany ny filan-dratsiny nandritra ny fotoana naharitra saingy tsy sahy niteny io ankizivavy io. Nitoroka anefa ny fianakavian’ity farany ka izao voasambotra ary nalefa any am-ponja izao ilay raikeliny. Dahalo […]