Taratra

Ady amin’ny valala : mamolavola paikady maharitra ny IFVM

Ho voafehy tanteraka tsy ho ela ny firongatry ny valala eto Madagasikara. Anatin’ny famolavolana paikady hanatanterahina izany indrindra ny ivontoerana famongorana valala eto Madagasikara (IFVM). Vinan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana rahateo ny hampitsaharana ny fihanaky ny valala, hiarovana ny fambolena ary hifehezana maharitra ny valala mba tsy hanimba voly. […]

Mahasanganehana

  Mampametra-panontaniana andro aman’alina ny fiainana andavanandron-dRamalagasy. Aleo atao anaty farangososona, anio, ny tontolo politika. Aleo mba hiresaka vetivety ny lafiny sosialy sy ny toekarena isika. Tsy takona afenina intsony fa miaka-bidy andro aman-alina ny vidim-piainana amin’ny sehatra rehetra. Tsy taka-bidy ny vary ho an’ny ankabeazan’ny Malagasy. Tsy natao ho […]

Fihariana : asa mahavelona sy mampidi-bola ny fiompiana trondro

Azo atao tsara ny mivelona amin’ny jono. Fihariana ahazoana tombony sy mampidi-bola izy ary sakafo ara-pahasalamana ho an’ny daholobe. Tombony ho an’i Madagasikara ny fananana fari-dranomasina midadasika sy renirano maro isan-karazany. Sehatra mbola malalaka sy mahaliana ny ankabeazan’ny olona ny jono. Fihariana mampidi-bola sy mahavelona ary hahazoan-tombontsoa maro ny fiompiana […]

Fisotasotana : mpivarotra drakaka voapaka antsibe teo an-tsena

Voasambotry ny foko­nolona ny iray tamin’ireo jiolahy efa-dahy nikapa antsibe ilay mpivarotra drakaka, tao Ambararata, fokontany Ampoza, Kaominina ambanivohitra Andranovao, distrika Maintirano, afakomaly. Nanao ny asany teo am-pivarotany io raim-pianakaviana mpivarotra io no tonga tampoka ny jiolahy. Nandanja drakaka izy kinanjo nokapain’ireo tsy mataho-tody tampoka tamin’ny antsy. Rovitra tanteraka ny sofiny havia sy ny […]

TSELATRA

Lehilahy iray namoy ny ainy nianjeran’ny trano andalam-panorenana tao amin’ny fokontanin’Ambohi­miari­vo, kaominina ambanivohitr’Antsirabe, ny fiatombohan’ny herinandro teo. Nandrava ny “coffrage” ireo mpanamboatra trano, kinanjo nirodana tampoka ny fotodrafitrasa efa vita. Niezaka nanavotra ny lehilahy voatsindry ny mpamonjy voina sy ny manodidina saingy tsy tana ny ainy. Lehilahy 30 taona hita […]