Nanao antso avo ho an’ny vahoaka ny antoko Fiombonana. “Aoka mba ho tony sy hitandrina amin’ireo fihantsiana sy fanakorontanana maro samihafa”, hoy izy ireo. Notsindrin’izy ireo koa fa miara-dia amin’ireo Vondron’ny kandidà 11 ny Fiombonana ary anisan’ny mitaky ny fampitsaharana tsy misy fepetra ny fanaovana herisetra sy ny famonoana ny mpiray tanindrazana. Ilaina koa ny […]
Taratra
Kandidà Andry Rajoelina : “Tsy nisy nahavita ny vitantsika”:
Nitohy tany Anivorano, Diana, indray ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Notanisainy tamin’izany ireo zava-bita sy ny hanohizana ny efa natomboka. Nambarany fa ao am-pony sy tiany Antsiranana ka nilazany fa hiaraka hatrany noho ny fifankatiavana efa mitoetra. “Tsy mbola nisy filoha na mpitondra nahavita be izany teto. Maro ireo nampanantena saingy […]
Fivorian’ireo loholona: handraisana fepetra Razafimahefa Herimanana
Mirona mankany amin’ny fanonganana? Nanao fanambarana ireo loholona miisa 14, tetsy Anosikely, omaly. “Tsy maintsy mandray andraikitra ny loholona ka hangataka fivoriana tsy ara-potoana amin’ny governemanta hampiantso izany ahafahana mandinika ny fepetra tokony horaisina anatin’ny fotoana faran’izay haingana”, hoy izy ireo. Notanisain’izy ireo amin’izany fa tsy kilalao ny fiainam-pirenena ary midika ho tsy fahamatorana ny fihetsika nasehon’ny […]
Masy Goulamaly, Ratsiraka Annick, R. Sylvia: “Takinay ny fikaonandohan’ny samy Malagasy…”
Mirona amin’ny ”Ady gasy”. Miray feo Ranaivojaona Sylvia (Malagasy Lavorary Perfect), i Masy Goulamaly (Avotantsika miaraka i Madagasikara), Ratsiraka Annick, sekretera nasionalin’ny antoko Arema, samy nikasa ny ho kandidà : “Tanjonay ny hisian’ny fifampihainoana ary ivoahana amin’izao krizy izao”, hoy izy ireo. Niantso ny sehatra samihafa izy ireo mba handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena eo amin’ny samy Malagasy. Melohin’izy telo mirarahavavy ny fampiasana herisetra. “Aoka […]
Andriamarotafika Soava : “Azo torohana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fampielezan-kevitra”
Ao anatin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Hanao ahoana? “Azo torohana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fampielezan-kevitra”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava. Fanazavana… “Afa-manao fitorohana ny olom-pirenena, rehefa hitany hoe misy zavatra tsy ara-dalàna mandritra ny fampielezan-kevitra. Miaraka amin’ny porofo mazava izany”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba […]




