Taratra

« Takarivan-kolontsaina »: hanamarika ny faha-15 taonany ny Haihaingo

Hiavaka tsy tahaka ny fahita hatramin’izay ! Haihaingo, orinasa mitrandraka sy misahana ny tontolon’ny haingo amin’ny ankapobeny. Iray amin’ ireo manasongadina sy manome lanja ny kolontsaina malagasy ihany koa. Fantatra fa hanamarika ny faha-15 taona nijoroana amin’ny alalan’ny hetsika « Takarivan-kolontsaina » hotanterahina ao amin’ny Salle Sainte Bathilde, 43 Avenue de Plessis, 92290 […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fampirantiana « Voyage en pays bara et vezo ». Saripika miisa 101, sanganasan’i Jacques Faublée no haranty eny amin’ny Mozean’ny sary, nanomboka ny 7 oktobra lasa teo. Manodidina ny fahaterahana, famorana, fanambadiana, fahafatesana, fananganana ho razana, sns, ireto sary haranty ireto. Manasongadina ny fitoviana misy eo amin’ny foko bara sy […]

Anisha Jo: hiara-hiasa amin’ny Sony Music

Dingana iray lehibe ho an’i Anisha Jo. Nampahafantatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ity mpanakanto voalohany tamin’ny “Star Academy” farany ity fa hiara-hiasa amin’ny Sony Music izy. Tsy ny mpanakanto rehetra akory no alain’ity trano mpamokatra mozika iraisam-pirenena ity hiara-hiasa aminy, fa ireo izay heveriny ho tena misongadina ka afaka mivarotra […]

Famakiana boky : vitsy ny liana amin’ireo misy voka-pikarohana

Nihena ny lanjan’ny famakiana boky, tato ho ato, noho ny fivoaran’ny teknolojia, izay manamora ny fiainan’ny olona, eny hatramin’ny fanaovana fikarohana. Anisan’ny loharano ahafahana manovo fahalalana ny vaky boky. Etsy andaniny, mihena ny mpa­maky ireo boky mirakitra voka-pikarohana sy fanadihadiana. Etsy ankilany, nahitana fiakarany ny tahan’ny mpanjifa sy mpamaky ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 4 798 Ar ny euro iray amin’izao fotoana izao. Tato anatin’ny andro vitsy, tsy mitsaha-mitontongana ny lanjan’ny ariary. Mitarazoka ihany koa ny fiainan’ny Malagasy miaina anaty fitaintainana lalandava noho ny fiainam-pirenena sy ny fitadiavana isan’andro. Miankina amin’ny toekarena avokoa ny fandrosoan’ny zava-drehetra. Manahy amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana sahady ny ankamaroan’ny […]