Taratra

Saika hanafika : jiolahy rotiky ny bala teny Ilafy

Nirefodrefotra ny basy. Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray teny Ilafy, ny alatsinainy teo. Rava ny fanafihana saika hataon’ireo olon-dratsy. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny Ilafy, ny jiolahy miisa telo, tamin’ny alatsinainy lasa teo. Nikononkonona handroba tamina tokantrano iray tao Antsampandrano ry zalahy. Nisy namoaka anefa ny tsiambaratelon’izy ireo. Nisy loharanom-baovao nanome […]

Cosafa Cup : lavon’i Malawi i Madagasikara

Notanterahina omaly ta­lata 10 oktobra, tany Afrika Atsimo, ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy «A», amin’ity «Cosafa Cup», taranja baolina kitra, vehivavy, ity. Resin’i Malawi tamin’ny isa 3 no ho 1, i Madagasikara tamin’izany. Araka izany, ity no faharesena fahatelo azon’ny Barea de Madagasikara nandritra ity fifaninanana ity. […]

SOMBIM-BAOVAO

Rayan Raveloson, Malagasy mpilalao baolina kitra. Naneho fihetsika mendrika ity Malagasy milalao ao amin’ny Barea de Madagascar ity. Namangy an’ilay ramatoa mpankafy iray izay nankalaza ny faha-98 taonany izy, notolorany fanamiana mitondra ny anarany ity ramatoa ity. Marihina fa mpilalaon’ny Auxerre France Raveloson. Notanterahina ny alatsinainy lasa teo, ny le […]

Kitra – Barea de Madagascar: tsy ho any Marôc i Kenji Van Boto sy i Trebel

Nisokatra ny 9 oktobra lasa teo ny “Fenêtre-FIFA”, anisan’ireo hiatrika an’izany ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar. Nanainga omaly tola­kandro, nihazo an’i Marôc, ny Barea de Madagascar, hiatrika ireo lalao firahalahiana roa, hifanandrinana amin’i Bénin sy i Mauritanie. Fihaonana, hotanterahina ny 14 sy ny 17 oktobra ho avy izao, tafiditra […]