Taratra

Rugby « XXL Top 12 » : Afa-bela tamin’ny Tam ny TFMA Ankasina

Fantatra ny alahady teo ireo klioba roa tafita amin’ny manasa-dalana izay hifanandrina amin’ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa Miaramila. Nahavory olona maro ny lalao teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Notontosaina omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana nahafantarana izay hanao ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL […]

Fanatanjahantena: Tsy mifidy taona sy sarangan’ olona ny Fampiasam-batana

Mahalava velona ny olona ny fikolokoloana ny vatana amin’ny alalan’ny fanetsiketsehana ireo taova rehetra anaty sy ivelany. Maro ny fomba hanaovana izany fa anisan’iray goavana ny fanatanjahantena. Tsy mifidy taona na sarangan’olona ny fampiasam-batana. Misy anefa ireo tsara ho fantatra araka ny torohevitr’ireo manam-pahaizana manokana. Dingana voalohany amin’ny fampiasam-batana ny […]

TARATRY ny KANTO

Hetsika niavaka teny amin’ny Kianja Masoandro. Nandray ny seho haisorakanto, niarahana tamin’i Rima sy i Tsiahy Andrianina ny toerana, ny asabotsy teo. Fifandimbiasana antsan-tononkalo teo amin’ireo mpanoratra, izay nentina nanasongadina ny hakanton’ny teny malagasy no nitranga. Tafiditra rahateo anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ny seho. Mitohy ny […]

T-Vibe : Nizara an-tsehatra ny “Ho doria”

Fiarahana nanjakan’ny tena mozika. Samy nentin’ny mozika lavitra mantsy, na ny tarika T-Vibe teny an-tsehatra, na ireo mpijery nameno ny efitranon’ny Ivokolo Analakely, ny tolakandron’ny asabotsy teo. Fotoana nizaran-dry TahinaVibe sy ny tariny ny “Ho doria”, ilay rakikira vaovao an-tsehatra io. Nirona kokoa tamin’ny jazz, na dia karazan-gadona maroloko aza […]