Rangahy iray niboridana, no nosamborin’ny fokonolona ary natolotra ny mpitandro filaminana, omaly, tetsy Ankady Tavimena, kaominina Alasora. Voalaza fa miafina eo amin’ny toerana be fasana izy. Enjehiny avokoa ny ankizy mpianatra sy ny vehivavy mandalo eny an-toerana. Mitaintaina ireo olona ireo rehefa handalo eny satria mangina rahateo eny an-toerana. Niakatra […]
Taratra
Ankadikely Ilafy Jiolahy valo nanafika
Ravan’ny mpitandro filaminana miasa ao Avaradrano ny fanafihan-jiolahy niseho tao amin’ny fokontany Antsapandrano, kaominina Ankadikely Ilafy, distrika Avaradrano, ny marain’ny alatsinainy 14 septambra teo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, nisaron-tava, ireo mpanao ratsy, araka ny loharanom-baovao. Nosikirin’izy ireo ny varavaran’ny trano tao amin’ilay tokantrano nokasainy hotafihina. Nanapoaka basy ireo jiolahy nentina […]
Karohina ny vadiny: vehivavy iray maty voatsatoka antsy
Maty voatsidron’antsy teo amin’ny fony ny renim-pianakaviana iray tany Analatsifaka Soanierana, omaly maraina. Karohina fatratra, ahina ho tompon’antoka tamin’izao vono olona izao, ny vadiny. Naheno antso vonjy tao amin’ilay tokantrano ireo mponina nefa izy mivady irery no tao an-trano. Renim-pianakaviana iray, 32 taona, indray no maty voatsatok’antsy tao an-tranony, tao […]
Trafika volamena: olona dimy voarohirohy
Mitohy ny fanadihadiana mahakasika ilay trafika volamena farany teo. Nandraisana fepetra ihany koa ilay mpiasan’ ny Ladoany nanao fihetsika tsy mendrika tamin’ny mpandeha, niparitaka tanaty tambajotra sosialy. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Haban-tseranana (DGD) malagasy, Randrianjafy Antoine, omaly, fa mitohy ny fanadihadiana mahakasika ny fikasana hamoaka volamena antsokosoko, milanja 5,75 kg tratra […]
Lozam-pifamoivoizana tetsy Ambohidahy: naiditra am-ponja eny Antanimora ilay mpamily
Niakatra fampanoavana omaly, teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, ny raharaha mahakasika ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona niseho tetsy amin’ny tonelina Ambohidahy, ny talata 8 septambra teo. Taorian’ny fakana am-bavany, nataon’ny mpitsara azy, naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ilay mpamily, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Fantatra fa ny 13 oktobra 2026 ho avy […]




