“Ny zava-dehibe dia ny hampisehoana fa fanjakana atokisana ary miasa no misy eto Madagasikara.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fahatongavany teny Ivato, ny faran’ny herinandro teo, namintinany ny dian’ny delegasiona notarihiny tany Frantsa sy Belzika. Teo ny handoavana ny onitra 11 tapitrisa […]
Taratra
Hery vaovaon’i Madagasikara Handray anjara amin’ny fifidianana rehetra
Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja Ambodifasika Itaosy, ny kongresin’ny HVM (Hery vaovaon’i Madagasikara) ho an’Antananarivo. Nisy ny fehin-kevitra nivoitra tao anatin’izany, natolotry ny sekretera jeneraly. Nanambara ofisialy ny antoko HVM, tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneraliny, Rasambany Alain, fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra izy ireo ary manohana ny […]
Tselatra
Efa-dahy nahitana rongony nosamborin’ny polisy nanao fisafoana teto Antananarivo Renivohitra, ny alakamisy 8 septambra lasa teo. Nisava ireo olona naneho fihetsika nampiahiahy teny 67 Ha, Analakely, hatrany Ankazomanga sy Ankorondrano ny polisy. Voasambotra teo amin’ny tetezan’i Ramala, teny Isotry, ny mpanao sinto-mahery iray, ny sabotsy 11 septambra teo. Nitory teny […]
Fonja Ambalatavoahangy: voafonja 278 nahazo fanalefahan-tsazy
Voafonja miisa 278 ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy, kaominina Toamasina, no voakasika tamin’ny fanalefahan-tsazy avy amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena, ny 26 jona lasa teo. Taorian’ny didy fampiharana ny famotsoran-keloka na ny fampihenan-tsazy, voafonja miisa 75 no nivoaka ny fonja, ny 28 aogositra lasa teo. Samy manana ny […]
Ambohidratrimo Zaza 3 taona maty notorahan-drainy biriky
Nialan’ny mpitsabo nenina, tsy tana ny ain’ny zazavavy telo taona notorahan’ny rainy biriky tao Ambatomainty, kaominina Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo, ny alahady 6 septambra lasa teo. Nifamaly tao an-trano ny ray sy reny niteraka azy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Nosimbain-drangahy avokoa ny entana tao an-trano, ny harivan’ny sabotsy […]




