Hentitra ny fanjakana amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena eto amintsika. Omaly, vehivavy, Malagasy iray, saika handray sidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no tratra niaraka tamin’ny volamena milanja 5,75 kg. Tsy nandalo fitsirihana araka ny fenitra tokony ho izy ny valizy nanafenany ireo volamena fa nalefa avy hatrany tany anaty […]
Taratra
Banky iraisam-pirenena: vonona hamatsy vola ny tetikasa Volobe
Afaka mandray anjara amin’ny famatsiam-bola, anjara birikin’ny fanjakana amin’ny tetikasa Volobe, ny Banky iraisam-pirenena mba hampihena ny vidin’ny herinaratra. Iray tamin’ ireo dinika fifanakalozan-kevitra nisongadina tamin’ny tetikasa ny vidin’ny kWh. Ankilany, manana tanjaka hatrany amin’ny 150 MW i Volobe ka tanjona ny hampihena ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo sy ny manodidina […]
Fifaninanana afrikanina: tafakatra ny CFFA, raraka ny FC Rouge
Mbola manohy ny diany amin’ny fifaninanana afrikanina, « Ligue des champions Caf », ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy. Nangoron-damba kosa ny ekipan’ny FC Rouge tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf ho an’ireo klioba. Tafakatra any amin’ny dingana manaraka amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo klioba, « Ligue des champions Caf », ny ekipan’ny […]
Volley-ball – “Mada D2”: fantatra ireo hanao ny famaranana
Tontosa omaly, tetsy amin’ ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja volley-ball, sokajy D2. Saika voahaja avokoa ny lojika tamin’ity, satria nivoaka ho mpandresy ireo klioba heverina ho sangany amin’izao fotoana. Ho an’ny vehivavy, hifanandrina eo amin’ ny famaranana ny Squad-X sy ny VBCD. Ny Squad-X izay […]
Fifaninanana afrikanina: ny CFFA hiaro ny isa roa, ny FC Rouge hanala vela
Azo lazaina fa tafita any amin’ny dingana manaraka amin’ny “Ligue des champions Caf” ny ilan-tongotry ny CFFA Andoharanofotsy, raha toa ka mbola sahirana ny FC Rouge atsy amin’ny“Coupe de la confédération Caf”. “Samy hiezaka!” Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity ny lalao miverina rehetra ho an’ireo solontena malagasy roa miatrika ny […]




