Hahemotra ny “Full Moon Party”. Hetsika iray saika hotontosaina any Toamasina, mandritra ny roa andro sy alina izy io, ny 27 sy 28 oktobra ho avy izao. Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena anefa, voatery ahemotry ny mpikarakara amin’ny fotoana manaraka izany. Mazava loatra fa amin’ny fotoana diavolana, araka […]
Taratra
« Kol’Tour » : hampahafantarina ireo harembakoka
Fandalovan’ny mpizahatany fotsiny Antananarivo hatramin’izay. Saika ireo tamba-dia mihazo ny morontsiraka, mandalo ireo valanjava-boahary natoraly hatrany no amidy ho an’ireo mpizahatany. Ambinambina fotoana sisa matoa mitsidika ireo harembakoka na mozea, sns, eto Antananarivo ireo vahiny. Mba hialana amin’izay indrindra no namolavolan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, miaraka amin’ireo matihanina amin’ny sehatry ny fizahantany ny « Kol’Tour ». […]
Fakafaka : … Dia izao ny vokany !
Ny fanaovana tsinontsinona ny maha Malagasy ihany no miteraka ireo olana marobe ireo. Lalàna anisan’ireo « lehibe sy manan-danja » indrindra eto Madagasikara, amin’ny teny frantsay. Vokany, samy mandroritra mankany amin’ny tombontsoany. Raha voasoratra amin’ny teny malagasy izy ireny, tsy nisy fifandirana fa izay voasoratra no arahina. Ny mahavariana, ireo lazaina […]
« Bibliothèque Municipale » Analakely : misokatra indray amin’ny endriny nohavaozina sy nohatsaraina
Toerana manana ny maha izy azy amin’ny Malagasy, indrindra ho an’ny eto Antananarivo, ny “Bibliothèque municipale”. Izany indrindra no nanaovana izao fanavaozana sy fanatsarana azy izao. Malagasy sy vahiny mpahay kanto no nifarimbona nanaingo ny toerana tamin’ny alalan’ny haikanton’izy avy. Tontosa omaly ny lanonana fitokanana ny Bibliothèque médiathèque municipale Analakely, izay nohavaozina. Tomponandraikitra maro […]
FANTINA sy FINTINA
Hiditra anatin’ny propagandy ofisialy i Madagasikara, araka ny fanambaran’ny misionera amerikanina, omaly. “Manentana ny governemanta sy ireo kandidà i Etazonia mba hanao ny ezaka hanohanana ny fifidianana malalaka sy madio ary koa ny zotram-pifidianana eken’ny rehetra sady atokisan’ny mpifidy”, hoy izy ireo. Nametraka taratasy fampahafantarana eny amin’ny HCC ny tsy […]




