Taratra

Barazy Bevava: hahazoam-bokatra 3 400 t isan-taona

Vita 100% ny fotodrafitrasa fanitarana ny tohodrano Bevava ao amin’ny kaominina Mitanty sy Ampasimanjeva, distrika Manakara, faritra Fitovinany. Hanondraka velarantany hatramin’ny 340ha ny lemaka raha toa ka 110ha izany teo aloha. Hisitraka mivantana izao fotodrafitrasa izao ireo tokantrano 483 miaraka amin’ireo fikambanana mpampiasa rano “AUE” Mendrika. Hanampy sy hampivoatra ny […]

Paositra malagasy: tafapetraka ny «digital center»

Ivontoerana atao hampiroboroboana ny fandraharahana sy ny niomerika ny “digital center” eny anivon’ny paositra malagasy. Hisokatra ho an’ny rehetra izany ary natao hampivelarana ny seha-piharian’ny tsirairay. Notokanana teny amin’ny biraon’ny paositra malagasy etsy Antaninare­nina ny “digital center”. Ivontoerana misahana ny niomerika fa indrindra ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana. Fotodrafitrasa ahafahana […]

VAOVAO TAMBATRA

Mora ny vidin’ny legioma izao satria fotoana fanaovana ny voly avotra izay fambolena legioma, tena fidiram-bolan’ny tantsaha. Manodidina ny 2 000 Ar ny kilaon’ny voatabia sy ny tongolobe eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Somary lafo kosa ny karaoty, izay 1 500 Ar ny kg, raha 800 Ar rehefa amin’ny fotoana maha vokatra […]

Jirama: vitaina amin’ity oktobra ity ny fampidiran-jiro

Mampandre ny mpanjifa voakasika ny Jirama fa misy ny toromarika hentitra avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo. Voakasik’ izany ny fanatanterahana ny fangatahan’ny mpanjifa rehetra efa nahaloa ny sarany rehetra, amin’ny fampidiran-jiro tsy vita sy ny fanoloana ny kaontera manana olana ara-teknika, ilay antsoina hoe «Compteur Ibanor». Voakasik’izany avokoa […]

Faritra Atsimo Atsinanana: mpanjono maherin’ny 1 500 nahazo fitaovam-panjonoana

Midina ifotony ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, ny herinandro lasa teo. Maherin’ny 1 500 ny mpanjono madinika nahazo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny fanjonoana tany amin’ny kaominina maro any Atsimo Atsinanana. Mahatsapa izany ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga fa mila fitaovana enti-miasa ny mpanjono madinika. Nitety […]