Taratra

Vohoka aloha loatra : antony faharoa mamono ny zatovovavy

Araka ny fanazavan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana, antony faharoa miteraka ny fahafatesan’ny tovovavy 15-19 taona ny fahasarotana mandritra ny vohoka sy ny fiterahana maneran-tany. Eto Madaga­sikara, mahatratra 29,60% ny tahan’ny fitondrana vohoka aloha loatra, taorian’ny fanadihadiana MICS 2018. Efa nidina ho 27 % izany amin’izao ary tsapa fa […]

Complexe Andakana : ankizy marefo 1 500 beazin’ny FCRA

Notokanana ny faran’ny herinandro teo, teny Am­bo­hi­tri­nibe Andakana, ny akany Fifanampiana, Centre Rassoul Akram (FCRA). Mahatratra 1500 ireo ankizy sy tanora kamboty na marefo ara-pivelomana mipetraka manodidina ny kaominina beazina ao an-toerana. Nitokana ny fotodrafitrasa ny minisitry ny Mponina sy ny fi­a­hiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Soa­fi­lira Princia. […]

ARETIN’ny homamiadana : vehivavy 4 070 maty nandritra ny taona 2020

Roa taona izay no niara-niasa amin’ny hetsika « Octobre rose” ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (UNFPA) sy ny Fondation Akbaraly. Manao fanentanana sy fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza izy ireo. Nahatratra 12 447 ny trangana homamiadana voatily ka voakasika ao avokoa ny lehilahy sy ny […]

Fiompiana omby : tafapetraka ny Centre d’insémination artificielle

Hanatsara ny taranak’omby sy ny kalitao jifain’ny mpanjifa, hanafainganana ny fitombony sy hahazoana lanja bebe kokoa, ahafahana mitahiry karazana taranaka misy any an-toerana. Ireo no tanjona ho an’ny fametrahana ny ivontoerana hanaovana fampanarahana enti-tanana sy ny laboratoara fitiliana ny fahasalaman’ ny biby (Centre d’insémination artificielle) ao amin’ny faritra Anosy. Paikady […]

Fandraharahana: hampihaona ny tolotra sy ny tinady ny hetsika “SAEM”

Hanatsara ny teknikam-pamokarana ao amin’ny faritra Boeny, io no fanamby apetraky ny Hetsika mpisehatra ara-toekarena ao Mahajanga andiany voalohany, “salon des acteurs économiques de Mahajanga (SAEM)”, izay hotanterahina ny 26 okotobra izao. Hetsika atao mandritra ny efatr’andro hampihaonana ny tolotra sy ny tinady, hitsinjovana ny mpamboly sy ny mpitrandraka ny […]