Taratra

Voaroba ny vola 4 hetsy Ar : raim-pianakaviana maty voatifitra teo ambony tafo

Namoy ny ainy voatifitry ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray tao Ambasatrana, Be­tagnatagna, faritra Melaky, ny alin’ny 4 oktobra lasa teo. Nitondra fitaovam-piadiana, niditra an-keriny tao amin’ny trano fonenan’io lehilahy io ireo olon-dratsy. Nahatsi­karitra ny fisian’ireto farany, niakatra niafina tao ambony tafo ny tompon-trano. No­robain’ny jiolahy ny vola nitetina 400 000 […]

TSELATRA

Tovolahy 14 taona maty vokatry ny fipoahan’ ny basy nolalaoviny tao Andasibe Moramanga, ny alakamisy tolakandro teo. Nisavasava tao an-trano ka nahita basy poleta izy mirahalahy. Niara-nilalao izany ireto farany kinanjo voatifitra tampoka ny kibon’ny iray. Nitarika tamin’ny famoizana aina izany. Vehivavy iray naratra mafy voadaroka teny Tanjombato, ny harivan’ny […]

Rugby – XXL Top 20 : hiady ny amboarabe ny FTM sy ny Cosfa

Hotanterahina rahampitso eny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny famaranana ny fifananana XXL Top 20, taranja Rugby. Hifanan­drina amin’izany, ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa Miaramila. Lalao tena andrasan’ny maro efa ela, izy ireo no ekipa roa tsy mbola resy mihitsy nandritra ny fihaonana rehetra nataony nandritra ny fifanintsanana. Ny mpilalaon’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Norombahan’Andriantefihasina Elisoa sy Raolina Noemie, ny tompondakan’i ITF ho an’ny sokajy «double» vehivavy. Lasan-dRabarijaona Tefy Ranja sy Rajini Rurik, ny an’ny lehilahy «double». Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana kosa, Ramanantoanina Ravaka, solontenan’i Madagasikara tamin’ity fifaninanana ity, ho an’ny “simple”, vehivavy. Hifanandrina amin’i Afrika Atsimo, mpampiantrano i Madagasikara anio, amin’ny fifaninanana «Cosafa […]