Taratra

Banky iraisam-pirenena : hihena ho 2,5% ny fitomboan-karena aty Afrika amin’ity taona ity

Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena, ny 4 oktobra teo, fa manjavozavo ny vinavina fitomboan-karena aty Afrika amin’ity taona 2023 ity. Anisan’ny antony ny tsy fisian’ny toekarena marin-toerana, miampy ny zava-misy maneran-tany, miantraika aty Afrika. Taorian’ny tranga Covid-19, efa niarina kely ny toekarena aty Afrika, nahatratra 3,6% ny salanisan’ ny fitomboan-karena. […]

Pr Razafiarivony Michel : « Manan-danja ny kolontsaina… »

Tontosa, omaly, teny amin’ny Musée d’Art d’Archéologie Isoraka, ny valandresaka nampitondraina ny lohateny hoe « Kolontsaina mialoha fandrosoana ». Tanjon’ny mpikarakara ny hampahafantatra ny lanjan’ny kolontsaina eo amin’ny fandrosoan’ny firenena. « Ireo hetsika sy fomba ary fanao rehetra mikolo ny saina no atao hoe Kolontsaina, ary manana io kolontsaina io avokoa ny firenena […]

Antoko Harena: “Tsy midika ho fahalemena ny fifampiresahana”

Nivoaka amin’ny fanginany ny antoko Harena, tarihin’i Lezava Fleurys. Nambarany fa tokony samy hampandefitra ny hambompony manoloana izao toe-draharaha izao. “Aoka isika hametraka hatrany ilay fihavanana ka hitandro ny fiandrianam-pirenena… Tsy midika ho faharesena na fahalemena akory ny fifampiresahana”, hoy izy, omaly. Niaiky ny Harena fa betsaka ny tsy fahatomombanana […]

Zakahely Boniface : “Maika ny fikaonandoha…”

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny depiote teo aloha, i Zakahely Boniface. Tsy mankasitraka ny fifanarahana politika ny tenany raha hikaroka vahaolana manoloana ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny mpanao politika amin’izao fotoana izao. “Tsy misy afa-tsy ny fikaonandoham-pirenena anatin’ny fotoana fohy, hanovana ny Lalàmpanore­nana mampifanditra antsika sy niteraka korontana […]

Ceni: “Aoka tsy hisy fihantsiana ny fanehoan-kevitra”

Niditra amin’ny andiany fahefatra ny fikaonandoha nokarakarain’ny Ceni hiatrehana ny fifidianana. Tsy nipoitra ny avy amin’ireo kandidà 11… “Ny hany takinay: mba hatao ao anatin’ny fifanajana sy lavitry ny fihantsiana sy fifandranitana ny fanehoan-kevitra, ary atao ao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna ary ny fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavina”. Io […]