Taratra

Fampisehoana “Kontroller”: tanjona ny hampiroborobo ny « Pantsula »

Ao anatin’ny fivelarana tanteraka ny “Pantsula” ankehitriny, indrindra ny eto Afrika. Maro ny hetsika karakarain’ny tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany tanjona izany, ary hitohy amin’ny toerana hafa. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Alliance française d’An­tananarivo (Aft) Andavamamba, ny fampisehoana « Kontrol­ler » niarahana tamin’ny vondrona mpandihy avy any Afrika Atsimo, Fishers […]

FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny hampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana iraisam-pirenena ny kandidà, i Paraina Auguste. “Miantso anareo mpitandro filaminana mba hampitsahatra ny herisetra amin’ireo mitaky ny fampiharana ny tany tan-dalàna sy ny zo fototra”, hoy izy. Efa tsy azo antoka ny zandary sy ny fitsarana ka voatery izahay hampiakatra izany amin’ny […]

Antso avon’ny FFKM : “Atsaharo ny fampiasan-kery sy fandranitana”

Nanamafy indray ny antso efa nataony ny eo anivon’ny FFKM, ny sabotsy teo, taorian’ ny fampihaonana ny solontenan’ireo kandidà tetsy Am­pandrana. Nambaran’ireo filoham-piangonana fa anisan’ny antoka ahatomombana hatramin’ny farany ny dinika ikaroham-bahaolana ny hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena ka nanamafy ny antso efa nataony izy ireo. “Aoka hohajaina ny zo […]

Fiaina mba aoka…

  Ho raikitra sy ho tanteraka hatramin’ny farany ihany ve? Tsy inona fa ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hanomboka rahampitso ny fampielezan-kevitra. Tsy miandry ny tsy afaka na tsy te handeha. Tsy efa mba miova sy ovaina amin’izay ny fomba fanaovana politika? Na ny fiaina politika… Mila fahamatorana sy fahatokisan-tena izany, […]

Miziriziry ny kandidà 11 : tsy nilefitra ny Emmo/Nat

“Baikon’ny prefet no tanterahanay mba ho fanajana ny lalàna”, hoy ny avy amin’ny Emmo/Nat. “Tsy manaiky famoretana izahay”, hoy kosa ny kandidà 11. Mitohy kosa ny fanelanelanana ataon’ny FFKM. Nitorajofo ny entona ma­nempotra teny Anka­zomanga sy Antani­mena, afakomaly. Dimy ireo voasambotra ary enina naratra: ny kandidà laharana fahadimy, Ravalomanana Marc […]