Taratra

Fampianarana teknika: Ivontoerana 11 ao Diana nampitaovanina

Natomboka teto amin’ny faritra Analamanga. Anja­ran’ny faritra Diana no nisitraka ireo fitaovam-pianarana avy amin’ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy ny fiofanana arakasa, Vavitsara Ra­hantanirina Gabrielle. Tonga tany an-toerana izy nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity herinandro ity. Hozaraina amin’ireo mpampiofana sy ivontoeram-panofanana miisa 11 (LTP sy CFP) ao anatin’ny faritra […]

Collectif Tany sy ny ONG Code Menabe: mifandray ny antoka ara-tsakafo sy ny tany volena

Nanao fanadihadiana nanomboka ny volana janoary lasa teo ny Collectif Tany, ny ONG Code Menabe ary ny vovonam-paritry ny firaisamonina sivily ao Atsimo Atsinanana. Tombana amin’ny fifandraisan’ny tsy fisian’ny antoka ara-tsakafo sy ny fananan-tany ho amin’ny faritra Atsimo Atsinanana no nivoitra tamin’izany. Tokantrano 3 562 teny anivon’ny fokontany 50, anatin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Mandalo eto an-tanindrazana indray i Eric, amin’izao fotoana izao. Hiaka-tsehatra miaraka amin’ireo namany mandrafitra ny tarika Tselatra izy anio, etsy amin’ny tokotany malalaky ny PK 0 Soarano. Hanomboka amin’ny 4 ora sy sasany ny seho. Eo avokoa ny mpikambana ahitana an’i Poon, Zozo, Papatre, Tita ary Tovo amin’io. Hitohy amin’ny […]

Fanohanana ny zavakanto: nahazo ivontoerana Tosik’Art i Sambava

Ivontoeram-pikotrehana orinasa misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina na “Centre d’incubation en en­treupreunariat culturel et industria créative” ny To­sik’Art. Nahazo fotodrafitrasa vaovao handray izany ny ao Sambava, izay notokanana ny alakamisy lasa teo. Ivontoerana hampiofanana ireo tanora manana vina famoronana eo amin’ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina izy ity, […]