Nanao fanadihadiana nanomboka ny volana janoary lasa teo ny Collectif Tany, ny ONG Code Menabe ary ny vovonam-paritry ny firaisamonina sivily ao Atsimo Atsinanana. Tombana amin’ny fifandraisan’ny tsy fisian’ny antoka ara-tsakafo sy ny fananan-tany ho amin’ny faritra Atsimo Atsinanana no nivoitra tamin’izany.
Tokantrano 3 562 teny anivon’ny fokontany 50, anatin’ny kaominina 10, ao amin’ny distrikan‘i Farafangana sy Vangaindrano no niompanan’ny fanadihadiana.Tao anatin’ny fotoana maitsoahitra no nanaovana azy. Indroa miantaona ny maitsoahitra ary maharitra enim-bolana ny fitambarany, araka ny fanazavana. Nisongadina fa mamboly avokoa ny fianakaviana manana tany ary 54% amin’ireo tsy manana tany azy manokana no mamboly ihany koa. Amin’ny ankapobeny, manana tany volena mirefy 21ara ny isam-pianakaviana ary ny iray ampahefatry ny fianakaviana ihany no manana taratasy ara-dalàna momba ny taniny amin’ny alalan’ny karatany. Lova no nahazoan’ny 94% tokantrano ny taniny. Vehivavy no lohan’ny tokantrano amin’ny antsasa-manilan’ny nohadihadiana. 42% amin’izy ireo ihany no manana tany satria tsy mandova ny vehivavy, araka ny kolontsaina mbola mitoetra ao amin’ny faritra. Ho an’ireo tsy manana tany fa manofa, sasahana mitovy amin’ny tompon’ny tany ny vokatra miakatra.
Efa niaina tsy fisiana sakafo tao an-trano ny antsasa-manilan’ny tokantrano nanontaniana ary nitranga intelo ka hatramin’ny impolo nandritra ny 30 andro farany izany ho an’ny 35% amin’ny tokantrano. Hita taratra fa ambony kokoa ny tsy fisian’ny sakafo mamely ny mponina ao amin’ny distrikan’i Farafanganana raha mitaha amin’ny ao Vangaindrano. Ahitana olona dimy ka hatramin’ny enina ny tokantrano iray ary mafimafy ny fisehoan’ny olana ara-tsakafo ho an’ny olona 12 an-trano. Ho an’ny fianakaviana sasany, 26 izy ireo no miara-miaina anatin’ny tokantrano iray.
Hanao adisisika amin’ny fanjakana
Nisongadina fa misy ifandraisany betsaka amin’ny tsy fananan’ny mponina tany hambolena hatao sakafo sy hivelomana ny tsy fahampian-tsakafo ao an-tokantrano. Resy lahatra ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, nandritra ny fandravonana ny valin’ny fanadihadiana fa zava-dehibe ny fisitrahan’ny vahoaka tany. Hanao adisisika ny amin’ny fanjakana ny telo tonta misahana ny fanadihadiana hizara ny tanim-panjakana ho an’ny vahoaka, ahafahany mamboly sy manajary izany. Mila tohana teknika koa ny tanora sy ny vehivavy amin’ny fiatrehana ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro satria mavesatra hatrany ny takaitran’ny rivodoza ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana. Asa hirosoana koa ny fandresen-dahatra ny mpiray ombon’antoka hanao tetikasa mifandraika amin’ny antoka ara-tsakafo hanampiana ny mponina, indrindra ny vehivavy.
Vonjy A.




