Taratra

TSELATRA

Fiara sprinter iray nitsoraka tao ambany tetezana teny Soavina, Atsimondrano, afakomaly alina. Nidoboka tampoka ny fiara, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Nivadika ka ny kodiarana no lasa ambony. Navoaka ireo mpandeha ary nentina notsaboina teny anivon’ny CSBII. Maty voatifitra ny jiolahy namaky fiara an’ny ma­namboninahitra teny Fiadanana, afakomaly alina. […]

Toamasina : miaramila frantsay matin’ny moto

Maty tsy tra-drano teo amin’ny boulevard Ratsimilaho Toamasina, ny sabotsy teo, i Stewart, 45 taona, teratany malagasy saingy miaramila frantsay miasa sy monina any frantsa. Tonga manao fialantsasatra miaraka amin’ny fianakaviany efa ho volana vitsivitsy ity miaramila frantsay ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Ny talata 26 septambra 2023 hariva […]

Fanafihana Cash point : renim-pianakaviana iray maty notifirin’ny jiolahy

Nitrangana fanafihana mpanao Cash point iray indray teny Anosizato Atsinanana, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Teny an-dalana nitsoaka ireo jiolahy no nitifitra renim-pianakaviana iray. Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray 36 taona manan-janaka efatra, notifirin’ireo jiolahy avy nanafika mpanao Cash point teo Anosizato Atsi­nanana, omaly maraina. Jiola­hy […]