Tontosa teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, omaly, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny « Slam nationale » andiany faha-14. Hetsika « Slam Poèsie », lehibe indrindra eto Madagasikara, tanterahina ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 30 septambra 2023 eto Antananarivo izy ity. Ho an’ny fifaninanana nasionaly, miisa 20 ny mpandray […]
Taratra
Dr Peter Youngren: Tanàna fito no holalovany
Mivahiny eto Madagasikara ny mpandaha-teny Dr Peter Youngren, Kanadianina. Tanàn-dehibe fito no holalovany mandritra ny diany eto, anisan’izany Antananarivo sy Fianarantsoa. Ao anatin’ izany, hisy ny seminera lehibe hataony ho an’ny mpiandraikitra fiangonana. Eo ihany koa ny fihaonana amin’ny tomponandraiki-panjakana ary farany sady goavana indrindra ny fihaonana amin’ny vahoaka malagasy. […]
« Du jardin à la table »: hisongadina ny haify sy nahandro ary zaridaina
Hotanterahina eny amin’ny Alliance Française Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny 28 septambra 2023 hatramin’ny 30 septrambra 2023, ny hetsika « Du jardin à la table ». Hetsika natao hanasongadinana ny vokatry ny tany sy ny tanora mpandraharaha ary ny haify avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Ankoatra ireo, hisy ihany koa ny […]
Mila fanarenana: Rakotra « saribakoly » ny kolontsaina malagasy
Firenena nandalo fanjanahantany i Madagasikara. Taona 1960, naverin-dry zareo Frantsay ny Fahaleovantena. Tsy « niala maina » anefa izy ireo fa nametraka paikady isan-karazany mba hahazoany manohy ny efa nataony… Kolontsaina sy zavakanto vahiny ny saribakoly. Sary mivainga vita amin’ny lamba na plastika, sns, nampakana endrika olona izy ireny. Tsy misy aina […]
Indray mijery
Olona 240 no hisitraka ny fandidiana maso maimaimpoana karakarain’ireo dokotera avy any ivelany. Efa notiliana mialoha tao amin’ny hopitaly HJRA ireo olona ireo ka isahana ny fandidiana sisa ireo vahiny, dokotera. Mbola mitohy ny fitiliana ao amin’ny sampandraharaha Ophtalmologie HJRA. Stephanie Arnold indray no mpanolotsaina vaovao voalohan’ny masoivoho amerikanina miasa […]




