Taratra

Antoko Maitso : “Tsy hiverin-dalana isika fa efa miroso amin’ny fifidianana”

Naneho ny heviny ny antoko Maitso hasin’i Madagasi­kara, manoloana ny raharaham-pirenena. “Mampiseho ireo dingana rehetra vita ha­tramin’izao fa tsy hiverin-dalana isika. Efa miroso any amin’ny fifidianana, araka ny daty efa voatondro”, hoy ny filoha nasionaly, Alexandre Georget, tetsy Antaninarenina, omaly. Notanisainy fa anisan’ny efa vita ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, ny […]

Saka beloha

  Miova isan’andro ny fivoaran’ny raharaha politika eto Madagasikara. Manaraka ny sitrapon’ny mpilalao sy ireo milaza ho matihanina anatin’izany. Jereo izato fivondronan’ny kandidà. Mivoaka miditra toa lelon-jaza. Ny tena mahasadaikatra dia ny fomba fiadin’izy ireo toa tsy mifanaraka amin’ny tombontsoa andrasan’ny vahoaka. Raha ny angom-baovao natao, misy ny fitiavana te […]

Fiatrehana fifidianana : nikaton-trano tetsy Ambohidahy ireo kandidà sy ny HCC

Tonga namaly ny antso sy ny fanasana nataon’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), omaly maraina, ireo kandidà miisa 10. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Tsy azo natrehin’ny mpanao gazety ary nambenan’ny mpitandro filaminana mafy ny fidirana tetsy amin’ny Lapan’ny HCC Ambo­hidahy nandritra izany. Miisa 10 ireo kandidà […]

TSELATRA

Hatolotra ny fampanoavana ireo olona enina voasambotra noho ny raharaha vonoan’olona tao amina alim-pandihizana tamina famadihana iray tao Antsirabe. Ny 19 septambra alina no nisian’ity fety niaraka tamin’ny ady saritaka ity. Tovolahy iray 27 taona namoy ny ainy raha naratra mafy kosa ny tovolahy iray hafa. Naiditra am-ponja eny Antanimora […]

Mpandefa mpiasa any koweït : roa lahy naiditra am-ponja, maka 5 000 000 Ar isan’olona

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo lehilahy roa saika handefa an-tsokosoko vehivavy dimy hiasa any amin’ny tany Arabo. Teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no tratra izy roa lahy ireto niaraka tamin’ireo tovovavy saika halefa hihazo ho any amin’ny tany Arabo. Nanatitra ireo vehivavy dimy hiasa an-trano any amin’ny tany Arabo izy […]