Taratra

Kaominina Antananarivo Renivohitra: lany ho ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala

Nohamafisin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) etsy Anosy, omaly, ny maha ben’ny Tanànan’Antananarivo an-dRamanantsoa Harilala. Nahazo 43,24 % tamin’ny vato manankery izy. Tsy nanova ny voka-pifidianana nibatan’ny kandidàn’ny Irmar fandresena ny nanafoanan’ny Taf ny vokatra tamin’ny birao fandatsaham-bato miisa 40 noho ny tsy fitovian’ny isa tamin’ireo taratasin-datsabato (PV). […]

Tselatra

Jiolahy nitam-basy nikasa hangalatra omby vaky nandositra tao Antanjombe, Ambohimanarina, ny alin’ ny alakamisy hifoha omaly zoma. Henon’ny tompon-trano ny fisian’ireo olon-dratsy ka nitsoaka nandositra izy ireo. Mpanao sinto-mahery voasambotry ny fokonolona ka saika niharan’ny daroka sy vono teny Ampefiloha, afakomaly. Nalain’ny roa lahy tsy fantatra io mpanao ratsy io fa […]

Variana nilalao: ankizilahy iray maty nianjeran’ny parpaing

Maty tsy tra-drano nianjeran’ny parpaing ny ankizilahy iray nilalao teo an-tokotany tao amin’ny fokontany Dépôt fahefatra parisela 21/34, ny alakamisy maraina teo. Nila­tsaka tampoka ny parpaing nipetraka tao ambony tafon-trano hiarovana fanitso amin’ny rivodoza. Vokany, maty tsy tra-drano ilay ankizilahy 11 taona niharam-boina. Renim-pianakaviana sahirana mamelon-janaka irery satria vao iray […]

Telo lahy nitam-basy tetsy Bekiraro: tompona Cash point  voaroba 4 tapitrisa Ar

Mpanao Cash point hanokatra tsena, narahina telo lahy mitam-piadiana teny amin’ny tetezan’i Bekiraro, omaly maraina. Voaambana basy izy ka voaroba ny vola 4 tapitrisa Ar. Manjaka ny asan-jiolahy eto an-dRenivohitra. Mpanao Cash point nivoaka maraina ny trano fonenany hamonjy ny toeram-piasany no lasibatra tetsy amin’ny tetezan’i Bekiraro, Isotry, omaly maraina. […]