Taratra

Fifaninanana ara-drariny : Antoka ho an’ny fampandrosoan’ ny indostria

Mandray anjara amin’ny fampivoarana ny toekarena ny fifaninan’ny indostria eto an-toerana. Hahafahan’ny vokatra malagasy miatrika ny fanambin’ny tsena iraisam-pirenena izany. Nasongadin’ny mpitantana eo anivon’ny Sen­dikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), filoha teo aloha tao amin’ny vondrona ary filohan’ny Technopet, i Hassim Amiraly, ny Politikam-pifaninanana sy ny fampandrosoana ny toekarena. Novelabelariny ny […]

Noheverin’ny olona fa dahalo : Lehilahy naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Naratra mafy, niharan’ny fitsaram-bahoaka, ny lehilahy iray 35 taona, tany Ampasita­paka, kaominina Anjiajia, disitrikan’Ambatoboeny, afakomaly. Noheverin’ny olona ho dahalo izy ka nifanenjehan’ ny fokonolona novo­noi­na. Vokany, voafira tamin’ny antsy ny lohany, ny tarehiny, ny tanany, ny lamosiny ary ny tratrany. Mponina avy ao Ankazoabo, kaominina Ambesisika, ity niharam-boina ity. Noentin-javatra […]

Telo lahy voasambotra; Ankizivavy voarasa antsy teo amin’ny tendany

Nolerana zava-maranitra, norasaina antsy teo amin’ny tendany, ny ankizivavy iray vao 15 taona, tao amin’ny kaominina Fihaonana, afakomaly. Nosamborina ny sakaizany sy ny roa lahy hafa. Niniana novonoina sy nanaovana filan-dratsy ahina ho naolana, hita faty, ny ankizivavy iray 15 taona, tao amin’ny fokontany Andranovelona, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazo­be, afakomaly. Niala […]

FANTINA sy FINTINA

Manao fitsidihana ofisialy any Jakarta, Indonesia, ny 3-4 jona, ny delegasionina malagasy tarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice. Fanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta no antony, ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika. Andrasana, araka izany, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa maromaro amina sehatra vaovao ho amin’ny […]