Nanao fanambarana ny eo anivon’ny vovonana Diovy i Madagasikara, Antsakaviro. Anisan’ny navoitran’izy ireo, tamin’izany, ny fifandraisana amin’i Frantsa. « Tsy mankahala azy ireo velively isika fa mila diovina ny fifandraisantsika amin’io firenena io. Irinay ny hisokafan’ny pejy vaovao amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta », hoy izy ireo, tetsy Antsakaviro, omaly. Nanterin’ity vovonana […]
Taratra
Sady tsy hita no tsy vita
Mazava iny ny toromarika avy amin’ny Filoham-panjakana: miasa avy hatrany! Ny fanatanterahana azy no sisa. Tsy ny kabary ambony vavahady na ny teny midina tsy misy mpitarika anefa no hahavitana izany. Avy any ambony no modely sy fakan-tahaka. Tsy ho sanatrian’ny vava ka mpitari-bato vilam-bava. Efa dila izay ny efa-bolana, tsy […]
Minisitra Razafimanantsoa Hanitra: “Tsy natao hizarana toerana ny tondrozotra”
Nitondra fanazavana ny momba ny tondrozotra ho an’ny fanavaozana ny minisi-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Me Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa tsy mitovy amin’ny sori-dalana ny taona 2009 izany. “Nisy ny fifampiresahana sy ny fifanajana. Tsy nisy ny resaka hoe tsy maintsy manao an’izao na izao”. Io […]
TSELATRA
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanamanjaka, afakomaly, ny tovolahy 17 taona. Nanolana vehivavy 34 taona tany Sahalombo, fokontany Tsivatrinikamo, distrikan’Antsirabe I izy io, ny 24 febroary 2026, tamin’ny 12 ora atoandro teo. Lehilahy iray namoy ny ainy vokatry ny vono nahazo azy tany Iamboroa Avaratra, Camp Robin, disitrikan’Ambohimahasoa, […]
Ampasika : Nolanian’ilay lehilahy tamin’ny loka ny volan’ny mpampiasa azy
Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny lehilahy iray nangalatra volan’ny mpampiasa azy, teny Ampasika. Nametrahan’ny mpampiasa azy fitokisana hatry ny ela io lehilahy io. Nampitondraina vola 1 tapitrisa Ar mahery vidin’entana izy saingy tsy nipoitra intsony. Niteraka ahiahy tamin’ireo mpampiasa io fihetsika io ary nanamarina tao amin’ny toeram-piasana izy ireo. […]




