Taratra

Tselatra

Tafahanika amin’ny rindrim-bato manamorona ny fefiloha Sisaony, teo akaikin’Antanimenabe Ampita­tafika, ny taxi-be zotra G iray, omaly. Vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Nieren-doza avokoa ireo mpandeha tao anatiny. Tratran’ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohimangakely ny jiolahy iray nanafika fiangonana. Nanafika tokantrano iray ao Antanetibe, fokontany Manjaka […]

Naiditra am-ponja: novakin’ny mpiambina ny tranon’ny mpampiasa azy

Natolotra ny fampanoavana omaly ka naiditra am-ponja ny jiolahy iray nanao fivadiham-pitokisana sady nangalatra tao an-tranon’ny mpampiasa azy, tao Mananara Avara­tra. Saron’ny polisy ny 17 septambra 2023 teo ity jiolahy ity. Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny polisy ny renim-pianakaviana iray noho ny halatra niseho tao an-tokantranony. Very tamin’izany ny moto, […]

Ilakaka : lehilahy hita faty notapahin-doha

Nihoron-koditra ny rehetra nahita ny lehilahy iray hita faty tao amin’ny kariera Ilakaka, fokontany Manombo, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Raha ny tatitra nampitain’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ilakaka, avy any Sakaraha ny fiavin’ilay lehilahy niharam-boina fa mpiavy ihany izy no tao Ilakaka. Tonga afakomaly izy ka ao amin’ny nenitoany no […]

Ambohimangakely : fipoahana herinaratra, trano lehibe hotohoton’ny afo

Afobe indray teny Ankadiefajoro Ambohimangakely (RN2) mihazo an’i Toamasina, omaly tolakandro. Tapitra hotohoton’ny afo ny entana rehetra tao amina orinasa kely mikirakira momba ny hazo. Horakoraka, tabataba… no niainan’ireo mponina teo amin’ny manodidina ity trano lehibe nirehitra teny Ankadiefajoro Ambohi­man­ga­kely ity. Toeram-pivarotana fa­naka sy voninkazo ity kila forehitra ity. Nijoalajoala […]

« Mondial Jiu-Jiutsu Bresilien »: mpikatroka 22 miatrika fampivondronana

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Jiu-Jiutsu, afaka fotoana fohy, ny Malagasy mpikatroka eo amin’ity taranja ity. Ho fanomanana izany fifaninanana goavana izany, mpikatroka 22, avy amin’ny klioba 7 no mivondrona, hitiliana izay hisolo tena an’i Madagasikara. Ny Federasiona malagasin’ny JJB no mikarakara izany fampivondronana izany, izay manao […]