Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Misaona ny tontolon’ny basikety eto Mada­gasikara. Nodimandry omaly, Razaiarisoa Lalatiana (Lala Mijomba). Mpilalao tao anatin’ny ekipa nasionaly fahiny izy, mpikambana teo anivon’ny ligin’i Boeny, filohan’ny kaomisiona Basikety, vehivavy, ary mpilalao eo amin’ny sokajy Vétérans. Asief. Hanatanteraka fikaonandoha, any An­tsi­rabe, B ny eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des […]

Basikety-U20, lehilahy : tompondaka ny ASS Menabe

Fahombiazana ny fiadiana ny tompondakan’i Madaga­sikara, sokajy latsaky ny 20 taona, lehilahy, notontosaina tany Mahajanga. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny ASS Menabe rehefa tafavoaka ho mpandresy nandritra ny lalao famaranana. Raha hiverenena izay lalao famaranana izay, isa 59 no ho 56 no nandresen’ny ASS ny ekipan’ny AKBB Analamanga. Norombahin’ny mpilalaon’ny […]

« Run » – Dingana fahatelo : voalohany i Brayan teo amin’ny sokajy zandriny

Zandriny indrindra tamin’ireo mpifaninana saingy nandrombaka ny amboara teo amin’ny sokajy nisy azy i Brayan Ratsivahiny, nandritra ny dingana fahatelo, fifaninanam-pirenena “Run”. Tafiditra ao anatin’ireo hiady ny ho tompondakan’i Madagasikara, araka izany, izy. Notanterahina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Base 213 Arivonima­mo, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho […]

Raharaham-pirenena : miantso fifanatonan’ireo kandidà ny SACUA

Tandindonin-doza ny se­hatry ny asa, manoloana ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena. Noho ny tsy fifankahazoan-kevitra sy disadisa eo amin’ny samy mpanao politika, mpifanandrina, hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika izany, raha ny fanambaran’ny Syndicat Au­tonome eo anivon’ny Kao­minina Antanananivo Reni­vohitra (SACUA), tetsy Anta­nimena, omaly. « Miantso fi­fampiresahana eo amin’ireo mpilatsa-kofidina, hahatongavana amin’ny […]

Rafidimanana Désiré : « Matahotra an-dRajoelina Andry ireo kandidà 11 »

“Fahatahorana ny filoha teo aloha no mahatonga ireo kandidà hirotsaka hofidina ho filoham-pirenena mitambatra amin’izao fotoana izao”, hoy ny filohan’ny Antoko miandrandra ny hoavy (THM), Rafidimanana Désiré, tetsy Mahamasina, ny zoma lasa teo. Nilaza izy fa fanakorontanana saim-bahoaka mba tsy hisian’ny fifidianana sy hidirana anatin’ny Tetezamita eto amin’ny firenena ny […]