Taratra

AdY Hiragasy : manomboka mahaliana ny tanora ny hetsika

Mitohy hatrany ny ady hiragasy, isaky ny alahady. Manomboka liana amin’izany ny mponina eto an-drenivohitra, indrindra ny tanora. Mitombo, manaraka izany, koa ny ezaky ny mpikarakara. Tontosaina eny amin’ny Kianjan’ny Hiragasy, eny Ampefiloha, isaky ny Alahady tontolo andro, ny ady hiragasy, ifanandrinan’ireo tarika maro samihafa. Ha­tramin’izay nisokafan’ny kianja, tsikaritra ho […]

FANTINA sy FINTINA

Niatrika ny fametrahana ny evekan’Antsirabe ny kandidà Ravalomanana Marc. Notanterahina tany an-toerana, omaly, ny sorona Masina amin’ny fandraisana ny Mgr Andriantsoavina Pascal. Anisan’ireo voaasa ity filoha teo aloha ity. Fandikan-dalàna ny fanalana ny sarin’ny filohan’ny Repoblika, araka ny fampahatsiahivan’ny fiadidiana ny Repoblika.. “Miandry voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC vao azo atao […]

Vondron’ny Tanora Malagasy : “Ilaina ny fanarenana maika ny fitantanana”

Nambaran’ny eo anivon’ny Vondron’ny Tanora Malagasy (VTM), tarihin’ny filoha nasionaliny, Rakotomalaza Desiré, fa misy ny laharam-pahamehana tokony hapetraka eto amin’ny firenena. “Ilaina harenina ny fitantanana ary tokony hojerena maika izany”, hoy izy ireo, tetsy Andrefan’Ambohi­janahary, afakomaly. Nante­rin’izy ireo fa anisan’ny antony naharesy lahatra azy ireo hiara-dalana amin’ny Firai­sankinan’ny tia tanindrazana […]

Hotsaraim-bahoaka

  Inona na ahoana koa? Tsy inona fa ny fikitranana lava eo amin’ny tontolo politika amin’izao fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Mahita hokitranina hatrany ny mpisehatra politika sasany; eny, na efa hoe mirotsa-kofidina izao aza. Atrehina ny fanatanterahana fifidianana, fa gidragidraina lava. Izany no matoky tena? Na hoe tsy matahotra […]

Fiatrehana fifidianana : efa mandeha ny fanontana ny biletà tokana atsy Afrika Atsimo

Nitondra fanazavana manoloana ny feo miely ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’ny tale kabinetra, Andriamifidy Jean Louis, fa tsy misy ny olana amin’ny fikarakarana ny biletà tokana. “Tsy marina sy tsy mitombina ny vaovao etsy sy eroa amin’ny filazana fa tsy afaka natonta indray noho ny toe-draharaham-pirenena ny biletà tokana, tokony […]