Natao omaly ny famaranana ny fotoam-pitsarana 2024 sy ny fanombohana ny taom-pitsarana 2025. Misy ny ezaka atao amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsindry isan-karazany. “Aleo mba hiala ny fitsabatsabahan’ny havana sy ny manampahefana sasany, fa tsy ny rehetra, amin’ny raharaham-pitsarana”, hoy ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, Rajoelina Yves Hugues, […]
Taratra
Tselatra
Nifamely totohondry ny mpandeha iray sy ny reseveran’ny taxi-be 172, omaly maraina teo Tanjombato. Vola 100Ar no fototry ny olana satria tsy ampy an’io 100Ar io ny saran-dalan’ilay raim-pianakaviana. Nilaza izy fa eny Ankadimbahoaka no miala ka 500Ar ihany no nomeny, saingy tsy nanaiky io saran-dalana io ilay resevera. Vokany, […]
Latsaka anaty hantsana: lahiantitra namoy ny ainy
Raim-pianakaviana manodidina ny 70 taona namoy ny ainy latsaka tao anaty hantsana niaraka tamin’ ny bisikileta, tao Ambohimarina, fokontany Ambohipihaonana, kaominina Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, omaly. Nivoy kodiarandroa. Nilatsaka tampoka tamin’ny toerana nisy hantsana nirefy 7 metatra teo ho eo anefa izy. Niaraka nilatsaka taminy ny bisikileta teny aminy. Vokany, nidaraboka […]
Maromitety: vehivavy maty novonoim-badiny
Maty vokatry ny herisetra nataom-badiny azy ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Analabe, kaominina ambanivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenina, ny 15 janoary 2025 teo. Nahazo antso ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Vavatenina momba ny fisiana vonoan’olona niniana natao tao amin’io fokontany io. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary nanao ny fitsirihana […]
Mpanazatran’ny Barea: hivoaka alohan’ny faran’ny volana janoary ny anarany
Tonga nitsidika ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Moustapha Marson Abdulah. Nambarany fa eo am-pamitana ny raharaha mahakasika ny mpanazatran’ny Barea ry zareo amin’izao fotoana izao. Taon’ny asa tokoa ity 2025 ity. Nampanantena ny minisitry ny MJS, Moustapha Marson Abdulah, omaly, teny Mahamasina, […]