Mila mazava avokoa ny tahirin-jirofon’ireo mpandraharaha ho an’ny taom-piotazana 2025-2026. Tsy maintsy avahana amin’izany ny jirofo manara-penitra sy ireo efa naotrika. Tokony hampahafantarina ihany koa ny habetsany. Manana hatramin’ny 20 jona ireo mpisehatra rehetra hanamarina ny tahirim-bokatra ananany. Hisy ihany koa ny fidinana ifotony ataon’ireo tomponandraikitra, handrefesana ny tahirin-jirofo ananany. […]
Taratra
Vondrona eoropeanina: Nodinihina ny tetikasa « Fly Over »
Noraisin’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafefimanana Sambilason Richard, ny 1 jona teo, ny delegasionin’ ny Vondrona eoropeana (UE), notarihin’i Roland Kobia. Noresahina ny sehatry ny lalana rehetra tohanan’ity vondrona iraisam-pirenena ity. Anisan’izany ny fandrafetana ny Tahirimbola ho an’ny lalana (Fond routier), ny fampiasana ny vola ho an’ny fikojakojana ny […]
Antsiranana : Ho foana tanteraka ny delestazy
Hiainga eto Antananarivo ny fiarabe hitondra ny gropy mpamokatra herinaratra ho any Antsiranana. Miisa 8 izy ireo, ka mamokatra 800 KW ny roa, raha 500 KW ny enina. Izany hoe, mitotaly 4 600 KW ny tanjany. Nambaran’ny Tale jeneraly lefitra misahana ny Herinaratra (DGA Elec) ao amin’ny Jirama, Manda Ny […]
Tetikasa Volobe: Manohana ny fahasalaman’ny mponina
Tobim-pahasalamana miisa telo ao Toamasina no nisitraka fampitaovana sy fiofanana avy amin’ny tetikasa « Volobe » hanohanana sy hamaliana ny filan’ny mponina eny ifotony. Manohana ny sehatry ny fahasalamana eny ifotony ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CGHV) tamin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny fampitaovana ny tobim-pahasalamana […]
FANTINA sy FINTINA
Eo am-panomanana ny fanadihadiana parlemantera an’ireo raharaha mafanafa ny eny anivon’ny Antenimierampirenena, amin’izao, araka ny nambaran’ny depioten’i Fianarantsoa I, Seth Rajoelina, teny Tsimbazaza, omaly. Kendrena hovitaina amin’izao fivoriana ara-potoana izao ny fanadihadiana parlemantera rehetra. Fanamiana 32 sy zavamaneno 34 ho an’ny mpitsoka mozikan’ny governemanta no noraisin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, teny […]





