Taratra

Otrikafo momba ny fifidianana : “Anisan’ny tomponandraikitra ny FFKM raha misy krizy”

“Milaza izahay fa anisan’ ny tomponandraikitra koa ny mpitondra fiangonana, raha mampirisika ny olompirenena handeha amin’ny fifidianana hita fa tsy hampilamina”, hoy ny filoha nasionalin’ny Otri­kafo, Rabevahiny Elia, mom­ba ny fampihaonan’ny FFKM. Nisy telo loha nambaran’ny filohan’ny FFKM, teny Man­dria­mena: mpaminany ny fiangonana, mpandrava ary mpanangana. Teo no ho eo […]

Kapa-ranjo

  Ambiansy re izao ! fahafinaretana sy hafalina tsy nisy ohatr’izany ny an’ny vahoaka malagasy, omaly, teny Maha­masina. Niady ny lalao baolina kitra teo amin’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Comores. Nafana ara-bakiteny satria tsy nisy ankitsitsitsitsy izany. An-kamely sy kapakapa ranjo no nandravaka ny baolina enina, fitambaran’ny matin’ny ekipa […]

Minisitra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana : “Tsy mitombina ny fampiantsoan’ ny fitsarana ny filoha Rajoelina”

Tokony hifarana eo ! Nanamafy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana fa tsy mitombina, araka ny efa nanambaran’ny tonia mpampanoa lalàna, ny fampiantsoan’ny fitsarana ny filohan’ny Repoblika. Nampahatsiahy ny lalàna mifehy ny zom-pirenena malagasy ny minisitry ny Fitsarana, omaly, teny Faravohitra, manoloana ny resabe sy ny vaovao diso niely. […]

TSELATRA

Dahalo dimy lahy rotiky ny balan’ny zandary tao amin’ny tanàna iray anatin’ny distrikan’i Sakaraha, ny talata teo. Nangalatra omby 50 izy ireo. Raikitra ny fanarahan-dia. Vokany, lavo ny dimy lahy ary azo sambo-belona ny namany iray. Naiditra am-ponja vonjimaika ilay renim-pianakaviana iray nandoro ny zana-badiny tao Sambava, ny talata 29 […]

Oniversite Fenoarivo Atsinanana : tratra ireo jiolahy namaky ny tranona mpiasa

Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Fenoarivo Atsinanana, afakomaly ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina vaky trano ao amin’ny faritry ny Oniverisite. Voasambotry ny polisy tao Anjoba Fenoarivo Atsinanana, ny 26 aogositra lasa teo, ireto jiolahy ireto. Ny 21 aogositra 2023 hariva ta­min’ny 7 ora sy 30 mn, niha­ran’ny vaky […]