Taratra

Fanafihana mitam-piadiana : voatifitry ny polisy i Johary sy i Doda

Matin’ny polisy omaly, i Johary sy Doda, voalaza fa mpanafika mitam-piadiana raindahiny. 60 Tapitrisa Ar no voaroban’izy ireo tanaty andro vitsy. Mbola misy telo lahy karohina. Nirefodrefotra ny basy! Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Anjoma, Toa­masina Renivohitra, omaly. Teo am-pikononkononana ny asa ratsiny faninefany […]

Filoha Rajoelina Andry: Kandidà 8 manakana ny firotsahany hofidiana

Miakatra ny maripana amin’ny tontolo politika. Manao angaredona tsy ahafahan’ny filoha am-perinasa hirotsaka ny kandidà valo. “Tahotra sahady”, hoy ny mpanohana fitondrana. “Tsy afaka mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena intsony ny filoha ankehitriny. Mazava ny voalazan’ny lalàna momba ny fizakana ny zom-pirenena malagasy”, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny kandidà isany: Ravalomanana Marc, […]

MMM teny amin’ny fitsarana: “Tsy tokony hisitraka Certificat de nationalité ny filoha”

Nametraka antontan-taratasy fanairana teny amin’ny fitsarana Anosy, afakomaly, ny antoko Malagasy miara-miainga. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany ny didim-panjakana ni­voaka tany Frantsa, manamafy fa nangataka zom-pirenena vahiny ny filoha Rajoelina. “Tsy tokony hisy intsony ny Certificat de nationalité, havoakan’ny fitsarana ho an’ny filoha noho ny tsy fizakany intsony ny zom-pirenena malagasy”, hoy […]

“Cellule de crise” – Seces: “Fifidianana kitoatoa io”

Namatrapatratra ny eo anivon’ny “Cellule de crise”, Seces Antananarivo, tamin’ny fanambaran’izy ireo, omaly. “Fifi­diana­na antematemaka, kitoatoa, feno kajikajy ho fampandaniana ny kandidan’ny mpitondra sy fanilihana ny hafa ary manome vahana ny hosoka sy krizy maro samihafa mivantana na ankolaka no hatao”, hoy izy ireo. Natsikafon’ny Seces Tanà fa hampiasa lalàm-pifidianana […]