Taratra

Tsy ho valalan’amboa

  Mihazakazakabe ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Tsy mahasakana ny afo manodidina ny politika tsy hirehatra ny lalaon’ny Nosy, izay hanomboka anio. Samy mitondra ny lohany ilay Malagasy. Manao izay mahametimety azy manokana. Tsy mizaha ilay tombontsoa iarahan’ny besinimaro intsony. Voazarazaran’ny «ahy aloha» vao ny hafa. Mahatonga saina ny zava-miseho. […]

Fanomanana ny fifidianana : manameloka ny sakantsakana ny KMF/Cnoe

Nanao antso avo ny eo anivon’ny KMF/Cnoe amin’izao hirosoana amin’ny fifidianana izao. Tsipahin’izy ireo marindrano ny mety ho fanohintohinana ny firosoana amin’ny fifidianana. “Aoka hohamoraina ny fikarakaran’ireo kandidà ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ary tsy tokony hiandany ny mpitantan-draharaham-panjakana”, hoy ny filohany, Na­mearson Robert, tetsy Anta­nimena, omaly. Nohitsiny fa helohin’izy ireo tanteraka […]

Tselatra

Olona iray maty, efa naratra. Io no vokatry ny fianjeran’ny fiaramanidina kely iray hofain’ny orinasa Aqualma amin’ny Sky Service tao Fenoarivo Besakoa kaominina ambanivohitr’i Mahajamba Mahajanga II. Teo am-piaingana no nitranga ny loza. Nianjera ka nirehitra avy hatrany ilay fiaramanidina. Nentina hopitaly ireo naratra. Olona telo tratra tao anaty kamiao […]

Andranonakanga : jiolahy roa indray maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny polisy nampian’ny zandary sy Tafi­ka tao amin’ny fokontany Tanambao SPM, kaominina Maintirano, afakomaly alina, ny jiolahy roa. Jiolahy iray hafa azo sambo-belona. Ny 18 aogositra lasa teo, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Tanambao. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka fantatra tamin’izany fa avy ao Andranonakan­ga, kaominina Mafaijijo […]

Fandriana : taksiborosy nivadika, olona iray maty

Sesilany ny lozam-pifamoivoina amoizana ain’olona eny amin’ny lalam-pirenena. Taksiborosy iray tra-doza tampoka tao Talata Iary, kaominina ambanivohitr’i Sandra­dahy, distrikan’i Fandriana, omaly. Olona iray maty tsy tra-drano, olona 15 naratra mafy. Taksiborosy avy any Fianarantsoa hihazo an’i Fandriana izy ity kanjo tra-doza tampoka. Nivadibadika tany anaty hantsana. Potipotika tanteraka ity fiara […]